Dox : Amina Batsola

Rasata :
sy mba haiko ny kabary, toa tsy haiko ny miteny
Tsy hisalasala akory aho manome anao ny ENY
Vonona aho na aiza na aiza soa hanasoa ny fireneko
Ka ny haja, voninahitra omenareo dia ekeko.

Rainilaiarivony :
Faly aho tena faly manana olona hoatr' izany :
Vonona handa tena amin' ny fahatanorany
Ka sahy mandray adidy ngeza hiandraiketana tanteraka
Mibitaha sy miravoa Rainisata fa niteraka
Mbola tovolahy ianao nefa homeko fiandraketana
Hampandry tany any Antomboka no handehananao izao
Faritany ifanolanana amin' ny vahiny vao.
Ary toera-famaharan' ny Sakalava anie no ao.
Tena adidy mafy izany fa tsy moramora hatao.
Anampoizana ady maro aman-defona amam-basy
Ary anisan' ny miantoka ny tena hery malagasy.
Takatrao moa ftsata ny havesatry ny adidy.

Rasata :
Eny teny ierana izao tsy hoe tendry fa safidy
Tsaroako ho tena vonona aho ka ny fara-fofonaiko
Dia ho anao ry Tanindrazako 'zay mamiko, lalaiko.
Tso-drano no angatahiko ao alohan' ny fiaingana.

Ranavalona :
Hanokanana fotoana ary hatao mafanafana.

Ranoro :
Dia tsofindrano izy ! Alahelo tsy hita lany.
Mampangetana ny foko ! Aza misy anie izany !
Sambany ahy anefa izao no manonona ny anarany.
Ho tsy nisy hatramin' izao kisendrasendra iray akory
Ho nifankalalanay... Dray, ny foko tena ory.
Endrey ity zazalahy mba niriko ho tena havana
Ka tsaroan' ny fanahiko fa andrianan' ny fitiavana
Nefa dia handeha lavitra tsy hita maso intsony
Mbola mety hisy ve firaisan' ny foko amin' ny fony.
He migoka ny endriky ny masoko manganohano...
Ka izao vavaka ataoko dia iriko ho tsodrano :
"Hisy anie ny fiverenany". Ary raha mba ho anjarako
Dia mba izy no ho fitiavana sy hiafaran' ny tantarako.

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44