Dox : Amina Batsola

He tsaroako daholo ireo fotoana nahasambatra
Nefa sary vain' afo ao an-dohako mitambatra.
....
Izao no fanapaha-kevitro : aoka hanangona kitay
Ary hampirehitra afo fa hanainga amin' izay.

Batsola :
Iangaviako hianao Lefahitra mba hilaza marimarina
Ny mahatonga tsy hampisy teny avy eny Vohimarina

Lefahitra :
Tena zava-dehibe no ho lazaiko ry Batsola

Batsola :
Aza manana ahiahy fa hataoko be ny vola
Fantatro ny tena hery iasan' ilay ampoizina
Ka raha izany no heverina dia tsy maintsy efa amoit[?]
Fa amin' izao fotoana izao dia atahorana ny ainy.

Mpitantara :
Miolakolaka Lefahitra, miovaova izay lazainy...
Tezitra ny sakalava izay nanara-dia teny
Nolefoniny Lefahitra ka dia vita tsy niteny
Ary lasa nakodiany any ambany hantsana any.
Tsara ho azy ny ho faty fa fanetriben' ny tany !

Mpitantara :
Dia notohizana ny dia, may dia may tokoa Batsola
Ka nisikina herim-po, tsy nanaiky ny ho tola

Mangitakitaka ny fony... Izao vao takany ao an-tsainy
Fa ny fitak' i Lefahitra no hamono ilay lalainy !
(Vohimarina)

Ranoro :
Ry malalako he 'ty izy efa ambany dia ambany
Moa hahatanako azy ve ny ranomaso sy tomany
[?]e zato izy efa mihamangan' endrika
Aza hitako anie izany, aza hitako ka rendrika !

Rasata :
(Miteny iva dia iva)
Ranoro ô, Ranoro. Tsy haiko intsony ny hangina.
Nitsimbinako anao dia nipetraka ho sina
Ny foko manana ady anaty mahatorovana ny aiko.
Miangavy anao aho hahazaka ny holazaiko...
Talohanao dia efa nisy zazavavy notiaviko
Natsipin' ny kisendrasendra tamin' ny lalana nodiaviko
Zanaka mpanjaka izy, nafoiny hatramin' ny tanindrazany
Sy ny rainy sy ny reniny, ny fanjakany sy ny lazany
Rehefa tonga anefa hianao dia nahery ny adidy.
Nandeha am-pandeferana izy ka izany dia nangidy...
Nangidy tamiko sy taminy.. Tezitra ny Sakalava
Ka nifototra namely. Tonga tery ny ho rava
Ny fiadanana mba tokony hisantaranao taty
Dia nijaly hatraiza hatraiza, resy izao ny fitia !
Niredona ny anarany aho... Batsola Amina, ka mifona.
Mangoraha azy hianao ka aoka izy tsy hofofoina.
Mba mafy ady koa izy... Mety ho hainy hositranina
Izao tatrako izao... Ka hafarany hotazanina

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 43-44