<-
->

Mik / Mi 4:1 But in the last days it shall come to pass, that the mountain of the house of the Lord shall be established in the top of the mountains, and it shall be exalted above the hills; and people shall flow unto it. Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon' i Jehovah dia haorina eo an-tampon' ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. Izao no ho tonga any amparan' ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon' ny Tompo, haorina eo an-tampon' ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin' ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena. Or il adviendra dans la suite des temps que la montagne du Temple de Yahvé sera établie en tête des montagnes et s'élèvera au-dessus des collines. Alors des peuples afflueront vers elle,
Mik / Mi 4:2 And many nations shall come, and say, Come, and let us go up to the mountain of the Lord, and to the house of the God of Jacob; and he will teach us of his ways, and we will walk in his paths: for the law shall go forth of Zion, and the word of the Lord from Jerusalem. Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr' i Jehovah, Ho any an-tranon' Andriamanitr' i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin' ny lalany, Ka handehanantsika amin' ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan' ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin' i Jehovah. Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon' Andriamanitr' i Jakoba; fa hampianariny antsika ny làlany, dia hizotra amin' ny sakeli-dàlany isika. alors viendront des nations nombreuses qui diront : " Venez, montons à la montagne de Yahvé, au Temple du Dieu de Jacob, qu' il nous enseigne ses voies et que nous suivions ses sentiers. Car de Sion vient la Loi et de Jérusalem la parole de Yahvé. "
Mik / Mi 4:3 And he shall judge among many people, and rebuke strong nations afar off; and they shall beat their swords into plowshares, and their spears into pruninghooks: nation shall not lift up a sword against nation, neither shall they learn war any more. Ary hitsara ny adin' ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin' ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. Ho elanelam-panahy amin' ny firenena maro izy sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any. Hanefy ny sabany ho lelan' angadin' omby ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana; tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. Il jugera entre des peuples nombreux et sera l' arbitre de nations puissantes. Ils briseront leurs épées pour en faire des socs et leur lances pour en faire des serpes. On ne lèvera plus l'épée nation contre nation, on n' apprendra plus à faire la guerre.
Mik / Mi 4:4 But they shall sit every man under his vine and under his fig tree; and none shall make them afraid: for the mouth of the Lord of hosts hath spoken it. Fa samy hipetraka eny ambanin' ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan' i Jehovah, Tompon' ny maro, no efa niteny. Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin' ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan' ny Tompo' ny tafika no efa niteny. Mais chacun restera assis sous sa vigne et sous son figuier, sans personne pour l' inquiéter. La bouche de Yahvé Sabaot a parlé.
Mik / Mi 4:5 For all people will walk every one in the name of his god, and we will walk in the name of the Lord our God for ever and ever. Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin' ny anaran' ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin' ny anaran' i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria. Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin' ny anaran' ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin' ny anaran' ny Tompo, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay. Car tous les peuples marchent chacun au nom de son dieu; mais nous, nous marcherons au nom de Yahvé notre Dieu, pour toujours et à jamais.
Mik / Mi 4:6 In that day, saith the Lord, will I assemble her that halteth, and I will gather her that is driven out, and her that I have afflicted; Amin' izany andro izany, hoy Jehovah, no hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin' izay nampahoriko; Amin' izany andro izany, - teny marin' ny Tompo, horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy. En ce jour-là - oracle de Yahvé - je veux rassembler les éclopées, rallier les égarées et celles que j' ai maltraitées.
Mik / Mi 4:7 And I will make her that halted a remnant, and her that was cast far off a strong nation: and the Lord shall reign over them in mount Zion from henceforth, even for ever. Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin' izany ka ho mandrakizay. Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka Iaveh hanjaka amin' izy ireo ao an-tendrombohitra Siona hatramin' izay ka ho mandrakizay. Des éclopées je ferai un reste, des éloignées une nation puissante. Alors Yahvé régnera sur eux à la montagne de Sion, dès maintenant et à jamais.
Mik / Mi 4:8 And thou, O tower of the flock, the strong hold of the daughter of Zion, unto thee shall it come, even the first dominion; the kingdom shall come to the daughter of Jerusalem. Ary ianao, ry tilikambon' ny andiany. Tendrombohitr' i Ziona zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan' i Jerosalema zanakavavy. Ary hianao, ry tilikambon' ny andiam-biby fiompy, tendrombohitry ny zanakavanin' i Siona ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao ny fanapahana taloha, dia ny fanjakana izay ananan' ny zanakavavin' i Jerosalema. Et toi, Tour du Troupeau, Ophel de la fille de Sion, à toi va revenir la souveraineté d' antan, la royauté de la fille de Jérusalem.
Mik / Mi 4:9 Now why dost thou cry out aloud? is there no king in thee? is thy counsellor perished? for pangs have taken thee as a woman in travail. Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, no dia azon' ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka? Nahoana no manezaka mitaraina hianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va, eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan' ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka? Maintenant pourquoi pousses-tu des clameurs ? N' y a-t-il pas un roi chez toi ? Tes conseillers sont-ils perdus, que la douleur t' ait saisie comme la femme qui enfante ?
Mik / Mi 4:10 Be in pain, and labour to bring forth, O daughter of Zion, like a woman in travail: for now shalt thou go forth out of the city, and thou shalt dwell in the field, and thou shalt go even to Babylon; there shalt thou be delivered; there the Lord shall redeem thee from the hand of thine enemies. Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan' i Jehovah anao ho afaka amin' ny tanan' ny fahavalonao. Aoka ho voan' ny fanaintainana sy hanezaka hianao, ry zanakavavin' i Siona, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna hianao ankehitriny, ka honina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilona; any no hanafahana anao; any no anavotan' ny Tompo anao, ho afaka amin' ny tànan' ny fahavalonao. Tords-toi de douleur et crie, fille de Sion, comme la femme qui enfante, car tu vas maintenant sortir de la cité et demeurer en rase campagne. Tu iras jusqu'à Babel, c' est là que tu seras délivrée; c' est là que Yahvé te rachètera de la main de tes ennemis.
Mik / Mi 4:11 Now also many nations are gathered against thee, that say, Let her be defiled, and let our eye look upon Zion. Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy. Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halam-baraka izy, ary aoka hibanjina an' i Siona ny masontsika! Maintenant, des nations nombreuses se sont assemblées contre toi. Elles disent : " Qu' on la profane et que nos yeux se repaissent de Sion! "
Mik / Mi 4:12 But they know not the thoughts of the Lord, neither understand they his counsel: for he shall gather them as the sheaves into the floor. Kanjo tsy fantatr' ireny ny hevitr' i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. Tsy fantatr' izy ireo anefa ny hevitry ny Tompo; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambarany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana. C' est qu' elles ne connaissent pas les plans de Yahvé et qu' elles n' ont pas compris son dessein : il les a rassemblées comme les gerbes sur l' aire.
Mik / Mi 4:13 Arise and thresh, O daughter of Zion: for I will make thine horn iron, and I will make thy hoofs brass: and thou shalt beat in pieces many people: and I will consecrate their gain unto the Lord, and their substance unto the Lord of the whole earth. Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an' i Jehovah ny hareny, Ary ho an' ny Tompon' ny tany rehetra ny fananany. Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin' ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran' ny Isiraely izy. Mitsangàna ka mihose, ry zanakavavin' i Siona, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kihonao, hataoko varahana, ka hanorotoro firenena maro hianao, ka hanokana ny tombo-karena azony ho an' ny Tompo aho, sy ny hareny, ho an' ny Tompon' ny tany rehetra. Debout! foule le grain, fille de Sion! car je rendrai tes cornes de fer, de bronze tes sabots, et tu broieras des peuples nombreux. Tu voueras à Yahvé leurs rapines, et leurs richesses au Seigneur de toute la terre.
Mik / Mi 4:14 Koa ankehitriny, ry zanakavavin' ny antoko - miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsorakazo amin' ny takolany ny mpitsara an' Israely. Maintenant, fortifie-toi, Forteresse! Ils ont dressé un retranchement contre nous; à coups de verge ils frappent à la joue le juge d' Israël.

<-
->