<-
->

Nom / Fan 11:1 And when the people complained, it displeased the Lord: and the Lord heard it; and his anger was kindled; and the fire of the Lord burnt among them, and consumed them that were in the uttermost parts of the camp. Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan' i Jehovah ny olona, ary nony ren' i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon' i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin' ny toby. Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin' ny sofin' ny Tompo ny vahoaka. Nandre an' izany Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin' izy ireo ny afon' ny Tompo, ka may ny teny an-tsisin' ny toby. Or le peuple élevait une lamentation mauvaise aux oreilles de Yahvé, et Yahvé l' entendit. Sa colère s' enflamma et le feu de Yahvé s' alluma chez eux : il dévorait une extrémité du camp.
Nom / Fan 11:2 And the people cried unto Moses; and when Moses prayed unto the Lord, the fire was quenched. Dia nitaraina tamin' i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin' i Jehovah, dia maty ny afo. Dia nibabababa tamin' i Moizy ny vahoaka, ary Moizy nifona tamin' ny Tompo, ary maty ny afo. Le peuple fit appel à Moïse, qui intercéda auprès de Yahvé, et le feu tomba.
Nom / Fan 11:3 And he called the name of the place Taberah: because the fire of the Lord burnt among them. Ary ny anaran' izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon' i Jehovah. Noho ny afon' ny Tompo nirehitra tamin' izy ireo dia nomena anarana hoe: Tabeerà io fitoerana io. On appela donc ce lieu Tabeéra, parce que le feu de Yahvé s'était allumé chez eux.
Nom / Fan 11:4 And the mixt multitude that was among them fell a lusting: and the children of Israel also wept again, and said, Who shall give us flesh to eat? Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak' Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin' Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak' Israely nanao hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay? Le ramassis de gens qui s'était mêlé au peuple fut saisi de fringale. Les Israélites eux-mêmes recommencèrent à pleurer, en disant : " Qui nous donnera de la viande à manger ?
Nom / Fan 11:5 We remember the fish, which we did eat in Egypt freely; the cucumbers, and the melons, and the leeks, and the onions, and the garlick: Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin' ny voatango sy tongolo samy hafa karazana. Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo sy ny tongolon-kova. Ah ! quel souvenir ! le poisson que nous mangions pour rien en Égypte, les concombres, les melons, les laitues, les oignons et l' ail !
Nom / Fan 11:6 But now our soul is dried away: there is nothing at all, beside this manna, before our eyes. Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany. Izao kosa maina ny ainay; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay. Maintenant nous dépérissons, privés de tout ; nos yeux ne voient plus que de la manne ! "
Nom / Fan 11:7 And the manna was as coriander seed, and the colour thereof as the colour of bdellium. Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin' ny bedola. Nitovy amin' ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdelioma ny tarehiny. La manne ressemblait à de la graine de coriandre et avait l' aspect du bdellium.
Nom / Fan 11:8 And the people went about, and gathered it, and ground it in mills, or beat it in a mortar, and baked it in pans, and made cakes of it: and the taste of it was as the taste of fresh oil. Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin' ny fikosoham-bary na tamin' ny laona, ary nahandro azy tamin' ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo. Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin' ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin' ny laona, dia nahandro azy tamin' ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin' ny mofomamy misy diloilo ny tsirony. Le peuple s'égaillait pour la récolter ; puis on la broyait à la meule ou on l'écrasait au pilon ; enfin on la faisait cuire dans un pot pour en faire des galettes. Elle avait le goût d' un gâteau à l' huile.
Nom / Fan 11:9 And when the dew fell upon the camp in the night, the manna fell upon it. Ary raha nilatsaka tamin' ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana. Amin' ny alina filatsahan' ny ando amin' ny toby, no nilatsahan' ny mana ao koa. Quand la rosée tombait la nuit sur le camp, la manne y tombait aussi.
Nom / Fan 11:10 Then Moses heard the people weep throughout their families, every man in the door of his tent: and the anger of the Lord was kindled greatly; Moses also was displeased. Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin' ny isam-pianakaviany, samy teo amin' ny varavaran' ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran' i Jehovah; ary tsy sitrak' i Mosesy koa izany. Ren' i Moizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviany avy eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran' ny Tompo. Moïse entendit pleurer le peuple, chaque famille à l' entrée de sa tente. La colère de Yahvé s' enflamma d' une grande ardeur. Moïse en fut très affecté,
Nom / Fan 11:11 And Moses said unto the Lord, Wherefore hast thou afflicted thy servant? and wherefore have I not found favour in thy sight, that thou layest the burden of all this people upon me? Dia hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? Dia nalahelo i Moizy ka nilaza tamin' ny Tompo hoe: Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana an' ity vahoaka ity? et il dit à Yahvé :" Pourquoi fais-tu du mal à ton serviteur ? Pourquoi n' ai-je pas trouvé grâce à tes yeux, que tu m' aies imposé la charge de tout ce peuple ?
Nom / Fan 11:12 Have I conceived all this people? have I begotten them, that thou shouldest say unto me, Carry them in thy bosom, as a nursing father beareth the sucking child, unto the land which thou swarest unto their fathers? Izaho va no torontoronina an' ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin' ny tany izay nianiananao tamin' ny razany homena azy? Izaho va no torontoronina an' ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran' ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin' ny tany izay nianiananao tamin' ny razany homena azy? Est-ce moi qui ai conçu tout ce peuple, est-ce moi qui l' ai enfanté, que tu me dises : "Porte-le sur ton sein, comme la nourrice porte l' enfant à la mamelle, au pays que j' ai promis par serment à ses pères" ?
Nom / Fan 11:13 Whence should I have flesh to give unto all this people? for they weep unto me, saying, Give us flesh, that we may eat. Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay? Aiza no hangalako hena homena an' izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay. Où trouverais-je de la viande à donner à tout ce peuple, quand ils m' obsèdent de leurs larmes en disant : "Donne-nous de la viande à manger" ?
Nom / Fan 11:14 I am not able to bear all this people alone, because it is too heavy for me. Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra. Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. Je ne puis, à moi seul, porter tout ce peuple : c' est trop lourd pour moi.
Nom / Fan 11:15 And if thou deal thus with me, kill me, I pray thee, out of hand, if I have found favour in thy sight; and let me not see my wretchedness. Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho. Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako. Si tu veux me traiter ainsi, tue-moi plutôt ! Ah ! si j' avais trouvé grâce à tes yeux, que je ne voie plus mon malheur !
Nom / Fan 11:16 And the Lord said unto Moses, Gather unto me seventy men of the elders of Israel, whom thou knowest to be the elders of the people, and officers over them; and bring them unto the tabernacle of the congregation, that they may stand there with thee. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin' ny loholon' ny Isiraely ho etý amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin' ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin' ny trano-lay fihaonana izy. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Anangony fitopolo lahy amin' ny loholon' Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin' ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ho ao amin' ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao. Yahvé dit à Moïse : " Rassemble-moi soixante-dix des anciens d' Israël, que tu sais être des anciens et des scribes du peuple. Tu les amèneras à la Tente du Rendez-vous, où ils se tiendront avec toi.
Nom / Fan 11:17 And I will come down and talk with thee there: and I will take of the spirit which is upon thee, and will put it upon them; and they shall bear the burden of the people with thee, that thou bear it not thyself alone. Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin' ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin' ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy. Fa hidina aho, ka hiteny aminao ao; ary haka amin' ny fanahy izay ao aminao aho, ka hametraka izany ao amin' izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka, dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy. Je descendrai parler avec toi ; mais je prendrai de l' Esprit qui est sur toi pour le mettre sur eux. Ainsi ils porteront avec toi la charge de ce peuple et tu ne seras plus seul à le porter.
Nom / Fan 11:18 And say thou unto the people, Sanctify yourselves against to morrow, and ye shall eat flesh: for ye have wept in the ears of the Lord, saying, Who shall give us flesh to eat? for it was well with us in Egypt: therefore the Lord will give you flesh, and ye shall eat. Koa lazao amin' ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin' ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan' i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen' i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo. Izao no lazao amin' ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin' ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina hianareo, fa nitomany ka ren' ny sofin' ny Tompo hianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! koa homen' ny Tompo hena hianareo, dia hihinananareo izany. A ce peuple du diras : Sanctifiez-vous pour demain, et vous mangerez de la viande, puisque vous avez pleuré aux oreilles de Yahvé, en disant : "Qui nous donnera de la viande à manger ? Nous étions heureux en Égypte ! " Eh bien ! Yahvé vous donnera de la viande à manger.
Nom / Fan 11:19 Ye shall not eat one day, nor two days, nor five days, neither ten days, nor twenty days; Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza, Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany, Vous n' en mangerez pas un jour seulement, ou deux ou cinq ou dix ou vingt,
Nom / Fan 11:20 But even a whole month, until it come out at your nostrils, and it be loathsome unto you: because that ye have despised the Lord which is among you, and have wept before him, saying, Why came we forth out of Egypt? fa hatramin' ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin' ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay? fa hatramin' ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin' ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria hianareo efa nitsipaka an' ny Tompo izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay? mais bien tout un mois, jusqu'à ce qu' elle vous sorte par les narines et vous soit en dégoût, puisque vous avez rejeté Yahvé qui est au milieu de vous et que vous avez pleuré devant lui en disant : Pourquoi donc être sortis d'Égypte ? "
Nom / Fan 11:21 And Moses said, The people, among whom I am, are six hundred thousand footmen; and thou hast said, I will give them flesh, that they may eat a whole month. Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. Hoy Moizy: Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra. Moïse dit : " Le peuple où je suis compte six cent mille hommes de pied, et tu dis : Je leur donnerai de la viande à manger pendant tout un mois !
Nom / Fan 11:22 Shall the flocks and the herds be slain for them, to suffice them? or shall all the fish of the sea be gathered together for them, to suffice them? Moa ondry aman' osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin' ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy? Ny omby aman' ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy? sa ny hazandrano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy. Si l' on égorgeait pour eux petit et gros bétail, en auraient-ils assez ? Si l' on ramassait pour eux tous les poissons de la mer, en auraient-ils assez ? "
Nom / Fan 11:23 And the Lord said unto Moses, Is the Lord' s hand waxed short? thou shalt see now whether my word shall come to pass unto thee or not. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Nihafohy va ny tànan' i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. Dia hoy ny navalin' ny Tompo an' i Moizy: Fohy loatra va ny tànan' ny Tompo? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako. Yahvé répondit à Moïse : " Le bras de Yahvé serait-il si court ? Tu vas voir si la parole que je t' ai dite s' accomplit ou non.
Nom / Fan 11:24 And Moses went out, and told the people the words of the Lord, and gathered the seventy men of the elders of the people, and set them round about the tabernacle. Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin' i Jehovah tamin' ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin' ny loholon' ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. Dia nivoaka Moizy, ka nilaza ny tenin' ny Tompo tamin' ny vahoaka, ary nanangona fitopolo lahy tamin' ny loholon' ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay. Moïse sortit pour dire au peuple les paroles de Yahvé. Puis il réunit soixante-dix anciens du peuple et les plaça autour de la Tente.
Nom / Fan 11:25 And the Lord came down in a cloud, and spake unto him, and took of the spirit that was upon him, and gave it unto the seventy elders: and it came to pass, that, when the spirit rested upon them, they prophesied, and did not cease. Ary nidina teo amin' ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin' i Mosesy ka napetrany tao amin' ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. Nidina teo amin' ny rahona Iaveh dia niteny tamin' i Moizy; nangalany ny fanahy izay tao amin' i Moizy, ka nataony tao amin' ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany. Yahvé descendit dans la nuée. Il lui parla, et prit de l' Esprit qui reposait sur lui pour le mettre sur les soixante-dix anciens. Quand l' Esprit reposa sur eux ils prophétisèrent, mais ils ne recommencèrent pas.
Nom / Fan 11:26 But there remained two of the men in the camp, the name of the one was Eldad, and the name of the other Medad: and the spirit rested upon them; and they were of them that were written, but went not out unto the tabernacle: and they prophesied in the camp. Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran' ny anankiray, ary Medada no anaran' ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan' izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin' ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin' izy ireo ny fanahy; anisan' ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin' ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Deux hommes étaient restés au camp ; l' un s' appelait Eldad et l' autre Médad. L' Esprit reposa sur eux ; bien que n'étant pas venus à la Tente, ils comptaient parmi les inscrits. Ils se mirent à prophétiser dans le camp.
Nom / Fan 11:27 And there ran a young man, and told Moses, and said, Eldad and Medad do prophesy in the camp. Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin' i Moizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: Maminany atsy an-toby i Eldada sy Medada. Un jeune homme courut l' annoncer à Moïse : " Voici Eldad et Médad, dit-il, qui prophétisent dans le camp. "
Nom / Fan 11:28 And Joshua the son of Nun, the servant of Moses, one of his young men, answered and said, My lord Moses, forbid them. Dia namaly Josoa, zanak' i Nona, izay nanompo an' i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. Niteny niaraka tamin' izay Josoe, zanak' i Nona, mpanompon' i Moizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Moizy tompoko ô, rarao izy roa lahy. Josué, fils de Nûn, qui depuis sa jeunesse servait Moïse, prit la parole et dit : " Moïse, Monseigneur, empêche-les ! "
Nom / Fan 11:29 And Moses said unto him, Enviest thou for my sake? would God that all the Lord' s people were prophets, and that the Lord would put his spirit upon them! Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon' i Jehovah rehetra, ka halatsak' i Jehovah aminy ny Fanahiny! Fa hoy ny navalin' i Moizy azy: Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan' ny Tompo, ary hataon' ny Tompo ao aminy ny ny fanahiny. Moïse lui répondit : " Serais-tu jaloux pour moi ? Ah ! puisse tout le peuple de Yahvé être prophète, Yahvé leur donnant son Esprit ! "
Nom / Fan 11:30 And Moses gat him into the camp, he and the elders of Israel. Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon' ny Isiraely. Dia nihataka nankeo an-toby Moizy sy ny loholon' Israely. Puis Moïse regagna le camp, et avec lui les anciens d' Israël.
Nom / Fan 11:31 And there went forth a wind from the Lord, and brought quails from the sea, and let them fall by the camp, as it were a day' s journey on this side, and as it were a day' s journey on the other side, round about the camp, and as it were two cubits high upon the face of the earth. Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin' i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin' ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin' ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin' ny tany izy. Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin' ny Tompo ka nitondra papelika avy any amin' ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin' ny toby, ka tokony ho làlana indray andro amin' ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin' ny tany izy. Envoyé par Yahvé, un vent se leva qui, venant de la mer, entraîna des cailles et les précipita sur le camp. Il y en avait aussi loin qu' un jour de marche, de part et d' autre du camp, et sur une épaisseur de deux coudées au-dessus du sol.
Nom / Fan 11:32 And the people stood up all that day, and all that night, and all the next day, and they gathered the quails: he that gathered least gathered ten homers: and they spread them all abroad for themselves round about the camp. Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson' iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby. Dia nitsangana ny vahoaka ary nandritra izany andro izany, sy nandritra ny alina, ary ny ampitso tontolo andro, dia nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo gomaora, ary nahahiny izany manodidina ny toby mba ho azy ireo. Le peuple fut debout tout le jour, toute la nuit et le lendemain pour ramasser des cailles ; celui qui en ramassa le moins en eut dix muids ; puis ils les étalèrent autour du camp.
Nom / Fan 11:33 And while the flesh was yet between their teeth, ere it was chewed, the wrath of the Lord was kindled against the people, and the Lord smote the people with a very great plague. Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin' ny olona ny fahatezeran' i Jehovah, ary namely ny olony tamin' ny kapoka mafy indrindra Izy. Kanjo raha mbola tao am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin' ny vahoaka ny fahatezeran' ny Tompo, ka nasian' ny Tompo tamin' ny loza mafy indrindra ny vahoaka. la viande était encore entre leurs dents, elle n'était pas encore mâchée, que la colère de Yahvé s' enflamma contre le peuple. Yahvé le frappa d' une très grande plaie.
Nom / Fan 11:34 And he called the name of that place Kibrothhattaavah: because there they buried the people that lusted. Ary ny anaran' izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana. Nomena anarana hoe Kibrota-Hataavà izany fitoerana izany, fa tao no nandevenana ny vahoaka izay nirehitry ny fahalianan-kanina. On donna à ce lieu le nom de Qibrot-ha-Taava, car c' est là qu' on enterra les gens qui s'étaient abandonnés à leur fringale.
Nom / Fan 11:35 And the people journeyed from Kibrothhattaavah unto Hazeroth; and abode at Hazeroth. Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy. Niainga avy tao Kibrota-Hataavà ny vahoaka ho any Hazerota, dia nijanona tao Hazerota. De Qibrot-ha-Taava, le peuple partit pour Haçérot, et on campa à Haçérot.

<-
->