<-
->

Mtt / Koh 4:1 So I returned, and considered all the oppressions that are done under the sun: and behold the tears of such as were oppressed, and they had no comforter; and on the side of their oppressors there was power; but they had no comforter. Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atý ambanin' ny masoandro; ary indro ny ranomason' ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon' ny tanan' ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony. Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao aty ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan' ny fanaovana an-kerin' ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Je regarde encore toute l' oppression qui se commet sous le soleil : Voici les larmes des opprimés, et ils n' ont pas de consolateur; et la force du côté des oppresseurs, et ils n' ont pas de consolateur.
Mtt / Koh 4:2 Wherefore I praised the dead which are already dead more than the living which are yet alive. Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona, Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny maty izay efa maty, noho ny velona izay mbola velona izao. Alors je félicite les morts qui sont déjà morts plutôt que les vivants qui sont encore vivants.
Mtt / Koh 4:3 Yea, better is he than both they, which hath not yet been, who hath not seen the evil work that is done under the sun. nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atý ambanin' ny masoandro akory. Ary sambatra noho izy roa tonta ireo indray aza, ny tsy mbola hary akory, ka tsy nahita ny asa ratsy, atao aty ambany masoandro. Et plus heureux que tous les deux est celui qui ne vit pas encore et ne voit pas l' iniquité qui se commet sous le soleil.
Mtt / Koh 4:4 Again, I considered all travail, and every right work, that for this a man is envied of his neighbour. This is also vanity and vexation of spirit. Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin' ny fifampialonan' ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. Hitako fa ny asa rehetra mbamin' ny fahakingana rehetra amin' ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin' olona avy amin' ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany. Et je vois que tout travail et toute réussite n' est que jalousie de l' un pour l' autre : cela est vanité et poursuite de vent!
Mtt / Koh 4:5 The fool foldeth his hands together, and eateth his own flesh. Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany. Ny adala manohon-tànana ihany, sady mihinana ny nofon' ny tenany. l' insensé se croise les bras et se dévore lui-même.
Mtt / Koh 4:6 Better is an handful with quietness, than both the hands full with travail and vexation of spirit. Tsara ny eran-tànan' ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana. Aleo tànan' ila feno fiadanana; toy izay tànan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra. Mieux vaut une poignée de repos que deux poignées de travail à poursuivre le vent.
Mtt / Koh 4:7 Then I returned, and I saw vanity under the sun. Ary izao koa no zava-poana hitako atý ambanin' ny masoandro: Nitodika aho ka nahita zava-poana hafa aty ambany masoandro: Je vois encore une autre vanité sous le soleil :
Mtt / Koh 4:8 There is one alone, and there is not a second; yea, he hath neither child nor brother: yet is there no end of all his labour; neither is his eye satisfied with riches; neither saith he, For whom do I labour, and bereave my soul of good? This is also vanity, yea, it is a sore travail. Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin' ny harena, hanaovany hoe: Ho an' iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany. Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa asa lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an' iza ary ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy. soit quelqu' un de seul qui n' a pas de second, pas de fils ni de frère; il n' y a pas de limite à toute sa besogne , et ses yeux ne sont pas rassasiés de richesses : " Pour qui donc est-ce que je travaille et me prive de bonheur ? " Cela aussi est vanité, et c' est une mauvaise besogne.
Mtt / Koh 4:9 Two are better than one; because they have a good reward for their labour. Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery; fa rahefa olon-droa dia misy karama be azony amin' ny asany, Mieux vaut être deux que seul, car ainsi le travail donne bon profit.
Mtt / Koh 4:10 For if they fall, the one will lift up his fellow: but woe to him that is alone when he falleth; for he hath not another to help him up. Raha misy lavo izy, dia arenin' ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy. fa raha lavo izy ireo, azon' ny anankiray arenina ny namany. Fa loza kosa no mahazo ny manirery, ka lavo tsy misy namana hanarina azy! En cas de chute, l' un relève l' autre; mais qu' en est-il de celui qui tombe sans personne pour le relever ?
Mtt / Koh 4:11 Again, if two lie together, then they have heat: but how can one be warm alone? Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery? Izao koa, raha roa no miara-mandry, mafanafana izy roroa; fa raha olona iray monja kosa, ahoana no hahafana azy? Et si l' on couche à deux, on se réchauffe, mais seul, comment avoir chaud ?
Mtt / Koh 4:12 And if one prevail against him, two shall withstand him; and a threefold cord is not quickly broken. Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina. Ary raha misy maharesy ny irery, ho voatohitry ny roa ihany kosa; ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina. Là où un homme seul est renversé, deux résistent, et le fil triple ne rompt pas facilement.
Mtt / Koh 4:13 Better is a poor and a wise child than an old and foolish king, who will no more be admonished. Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony; Aleo zatovo mahantra sy hendry, toy izay mpanjaka antitra sy adala, tsy mety mihaino torohevitra intsony; Mieux vaut un enfant pauvre et sage qu' un roi vieux et insensé qui ne sait plus prendre conseil.
Mtt / Koh 4:14 For out of prison he cometh to reign; whereas also he that is born in his kingdom becometh poor. fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin' alahelo tamin' ny fanjakany aza izy. fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy, na dia teraka mahantra teo amin' ny fanjakany aza. Même s' il est sorti de prison pour régner, et même s' il est né mendiant dans le royaume,
Mtt / Koh 4:15 I considered all the living which walk under the sun, with the second child that shall stand up in his stead. Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atý ambanin' ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo. Nahita ny velona rehetra izay mihetsiketsika ambany masoandro aho, teo anilan' ilay tovolahy nitsangan-kisolo ny mpanjaka antitra. je vois tous les vivants qui vont sous le soleil être avec l' enfant, le second, l' usurpateur,
Mtt / Koh 4:16 There is no end of all the people, even of all that have been before them: they also that come after shall not rejoice in him. Surely this also is vanity and vexation of spirit. Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon' Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran' ny adala fanatitra; fa tsy fantatr' ireny ho manao ratsy izy. Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny làlana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany. et c' est d' une foule sans fin qu' il se trouve à la tête. Mais ceux qui viennent après ne s' en réjouiront pas, car cela aussi est vanité et recherche de vent.
Mtt / Koh 4:17 Tandremo ny tongotrao, raha mankany an-tranon' Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny manatitra sorona, araka ny fanaon' ny adala; satria entin' ny tsy fahalalany hanao ratsy izy ireny. Prends garde à tes pas quand tu vas à la Maison de Dieu : approcher pour écouter vaut mieux que le sacrifice offert par les insensés, mais ils ne savent pas qu' ils font le mal.

<-
->