<-
->

Oha / Oh 18:1 Through desire a man, having separated himself, seeketh and intermeddleth with all wisdom. Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filany ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra. Qui vit à l'écart suit son bon plaisir, contre tout conseil il s' emporte.
Oha / Oh 18:2 A fool hath no delight in understanding, but that his heart may discover itself. Ny adala tsy mba finaritra amin' ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony. Tsy mba ny hahazo fahalalana no sitraky ny adala fa ny haneho ny heviny ihany. Le sot ne prend pas plaisir à être intelligent, mais à étaler son sentiment.
Oha / Oh 18:3 When the wicked cometh, then cometh also contempt, and with ignominy reproach. Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin' ny fahafaham-baraka ny henatra. Raha tonga ny ratsy fanahy, tonga koa ny fanalam-baraka, ary miaraka amin' ny henatra, tonga koa ny fanalam-baraka. Quand vient la méchanceté, vient aussi l' affront, avec le mépris, l' opprobre.
Oha / Oh 18:4 The words of a man' s mouth are as deep waters, and the wellspring of wisdom as a flowing brook. Rano lalina ny teny aloaky ny vavan' ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon' ny fahendrena, Rano lalina ny teny aloaky ny vavan' ny olona; rano tondraka ny loharanon' ny fahendrena. Des eaux profondes, voilà les paroles de l' homme : un torrent débordant, une source de sagesse.
Oha / Oh 18:5 It is not good to accept the person of the wicked, to overthrow the righteous in judgment. Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin' ny fitsarana. Tsy mety raha ny ratsy fanahy indray no asian-draharaha, mba handresy ny marina amin' ny fitsarana. Il n' est pas bon de favoriser le méchant, pour débouter le juste dans un jugement.
Oha / Oh 18:6 A fool' s lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes. Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka. Miditra amin' ny fifandirana ny molotry ny adala; ary mihantsy fanalam-baraka, ny vavany. Les lèvres du sot vont au procès et sa bouche appelle les coups.
Oha / Oh 18:7 A fool' s mouth is his destruction, and his lips are the snare of his soul. Ny vavan' ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. Fanimbana ho azy ny vavan' ny adala; ary fandrika amin' ny fanahiny ny molony. La bouche du sot est sa ruine et ses lèvres un piège pour sa vie.
Oha / Oh 18:8 The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly. Ny tenin' ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. Hanim-py ny tenin' ny mpitati-bolana, ka mikorotsaka hatrany anatin' ny kibo. Les dires du calomniateur sont de friands morceaux qui descendent jusqu' au fond des entrailles.
Oha / Oh 18:9 He also that is slothful in his work is brother to him that is a great waster. Ary izay malaina amin' ny asany Dia rahalahin' ny mpanimba. Izay ketraka amin' ny asany, dia rahalahin' izay efa mandroso ho amin' ny fahaverezana. Quiconque est paresseux à l' ouvrage, celui-là est frère du destructeur.
Oha / Oh 18:10 The name of the Lord is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe. Ny anaran' i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. Ny anaran' ny Tompo dia trano avo mafy: ialofan' ny marina, sy itoerany tsy aman' ahiahy. Une tour forte : le nom de Yahvé! le juste y accourt et il est hors d' atteinte.
Oha / Oh 18:11 The rich man' s wealth is his strong city, and as an high wall in his own conceit. Ny haren' ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. Ny haren' ny mpanana no vohiny mafy, araka ny heviny dia manda avo izany. La fortune du riche, voilà sa place forte : c' est une haute muraille, pense-t-il.
Oha / Oh 18:12 Before destruction the heart of man is haughty, and before honour is humility. Ny fireharehan' ny fon' ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. Misandratra ny fon' ny olona alohan' ny faharavany, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra. Avant la ruine, le coeur humain s'élève, avant la gloire, il y a l' humilité.
Oha / Oh 18:13 He that answereth a matter before he heareth it, it is folly and shame unto him. Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany. Izay mamaly teny mbola tsy nihaino, dia hadalana sy henatra ho azy izany. Qui riposte avant d'écouter, c' est pour lui folie et confusion.
Oha / Oh 18:14 The spirit of a man will sustain his infirmity; but a wounded spirit who can bear? Ny faharariany dia zakan' ny fanahin' ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? Ny sain' ny olona no manohana azy raha marary; fa raha ny saina no kivy, iza indray no hanarina azy? L' esprit de l' homme peut endurer la maladie, mais l' esprit abattu, qui le relèvera ?
Oha / Oh 18:15 The heart of the prudent getteth knowledge; and the ear of the wise seeketh knowledge. Ny fon' ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin' ny hendry mitady izany. Ny fo manan-tsaina, mahazo ny fahaizana, ary ny sofin' ny hendry mitady ny fahaizana. Coeur intelligent acquiert la science, l' oreille des sages recherche le savoir.
Oha / Oh 18:16 A man' s gift maketh room for him, and bringeth him before great men. Ny fanomezan' ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan' ny lehibe. Ny fanatitra omen' ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin' ny lehibe. Le don que fait un homme lui ouvre la voie et le met en présence des grands.
Oha / Oh 18:17 He that is first in his own cause seemeth just; but his neighbour cometh and searcheth him. Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. Izay mandahatra aloha toa marina; fa tamy ny andaniny, dia dinihina ny ady. On donne raison au premier qui plaide, que survienne un adversaire, il le démasque.
Oha / Oh 18:18 The lot causeth contentions to cease, and parteth between the mighty. Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery. Ny filokana mampitsahatra ny fifandirana, sy mampisaraka ny samy mahery. Le sort met fin aux querelles et décide entre les puissants.
Oha / Oh 18:19 A brother offended is harder to be won than a strong city: and their contentions are like the bars of a castle. Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin' ny lapan' ny mpanjaka. Manoatra ny tanana mimanda, ny rahalahy miady amin' ny rahalahiny; ary tahaka ny hidin' ny lapa ny fifandiran' izy ireo. Un frère offensé est pire qu' une ville fortifiée et les querelles sont comme les verrous d' un donjon.
Oha / Oh 18:20 A man' s belly shall be satisfied with the fruit of his mouth; and with the increase of his lips shall he be filled. Ny vokatry ny vavan' ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. Ny vokatry ny vavan' ny olona no iveloman' ny vatany, ary ny vokatry ny molony no ivokisany. Du fruit de sa bouche l' homme rassasie son estomac, du produit de ses lèvres il se rassasie.
Oha / Oh 18:21 Death and life are in the power of the tongue: and they that love it shall eat the fruit thereof. Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain' ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. Manam-pahefana hahafaty sy hamelona, ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin' ny olona ny voany. Mort et vie sont au pouvoir de la langue, ceux qui la chérissent mangeront de son fruit.
Oha / Oh 18:22 Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the Lord. Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin' i Jehovah. Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin' ny Tompo izany. Trouver une femme, c' est trouver le bonheur, c' est obtenir une faveur de Yahvé.
Oha / Oh 18:23 The poor useth intreaties; but the rich answereth roughly. Fitarainana no ataon' ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery. Fitarainana no fitenin' ny mahantra, ka teny henjana no avalin' ny mpanana. Le pauvre parle en suppliant, le riche répond durement.
Oha / Oh 18:24 A man that hath friends must shew himself friendly: and there is a friend that sticketh closer than a brother. Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin' ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy. Il y a des amis qui mènent à la ruine, il y en a qui sont plus chers qu' un frère.

<-
->