<-
->

Oha / Oh 17:1 Better is a dry morsel, and quietness therewith, than an house full of sacrifices with strife. Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana. Aleo sombi-mofo maina ombam-piadanana, toy izay trano feno hena misy fifandirana. Mieux vaut une bouchée de pain sec et la tranquillité qu' une maison pleine de sacrifices de discorde.
Oha / Oh 17:2 A wise servant shall have rule over a son that causeth shame, and shall have part of the inheritance among the brethren. Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin' ny mpirahalahy. Mihoatra noho ny zanaka mahamenatra ny mpanompo malina; ka hizara lova amin' izy mirahalahy izy. Un serviteur avisé l' emporte sur le fils indigne, avec les frères il aura sa part d' héritage.
Oha / Oh 17:3 The fining pot is for silver, and the furnace for gold: but the Lord trieth the hearts. Ny memy ho an' ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an' ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo. Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an' ny volamena dia ny fandrendrehana; fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo. La fournaise pour l' argent, le fourneau pour l' or, pour éprouver les coeurs : Yahvé.
Oha / Oh 17:4 A wicked doer giveth heed to false lips; and a liar giveth ear to a naughty tongue. Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin' ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza. Ny ratsy fanahy mihaino izay molotra ratsy; ary ny mpandainga no mampandry sofina amin' izay lela ratsy. Le méchant est attentif aux lèvres pernicieuses, le menteur prête l' oreille à la langue perverse.
Oha / Oh 17:5 Whoso mocketh the poor reproacheth his Maker: and he that is glad at calamities shall not be unpunished. Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin' ny fahorian' ny sasany dia tsy maintsy hampijalina. Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy; ary izay mifaly amin' ny fahorian' ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory. Qui nargue le pauvre outrage son Créateur, qui rit d' un malheureux ne restera pas impuni.
Oha / Oh 17:6 Children' s children are the crown of old men; and the glory of children are their fathers. Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy. Satro-boninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanaka, ary voninahitry ny zanany ny rainy. Couronne des vieillards : les enfants de leurs enfants; fierté des enfants : leur père.
Oha / Oh 17:7 Excellent speech becometh not a fool: much less do lying lips a prince. Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an' ny zanak' andriana ny molotra mandainga. Tsy tandrifin' ny adala ny hanao teny mendrika indrindra, vao mainka tsy tandrifin' ny andriana ny teny mandainga! Une langue distinguée ne sied pas à l' insensé, moins encore, au prince, une langue menteuse.
Oha / Oh 17:8 A gift is as a precious stone in the eyes of him that hath it: whithersoever it turneth, it prospereth. Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason' izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany. Vato soa ho an' izay manana azy ny fanatitra, ka amin' izay itodihany ahombiazany avokoa. Un présent est un talisman pour qui en dispose : de quelque côté qu' il se tourne, il réussit.
Oha / Oh 17:9 He that covereth a transgression seeketh love; but he that repeateth a matter separateth very friends. Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin' ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza. Qui jette le voile sur une offense cultive l' amitié, qui répète la chose divise les intimes.
Oha / Oh 17:10 A reproof entereth more into a wise man than an hundred stripes into a fool. Ny anatra dia manan-kery kokoa amin' ny hendry Noho ny kapoka injato amin' ny adala. Ny fananarana indray maka manan-kery amin' ny manan-tsaina, noho ny kapoka zato amin' ny olona adala. Un reproche fait plus d' impression sur l' homme intelligent que cent coups sur le sot.
Oha / Oh 17:11 An evil man seeketh only rebellion: therefore a cruel messenger shall be sent against him. Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy. Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy. Le méchant ne cherche que rébellion, mais un messager cruel sera envoyé contre lui.
Oha / Oh 17:12 Let a bear robbed of her whelps meet a man, rather than a fool in his folly. Aleo mifanena amin' ny bera very anaka Toy izay amin' ny adala feno hadalana. Aleo mifanena amin' ny orsavavy very anaka, toy izay amin' ny adala raha mihetsi-pahadalana izy. Plutôt rencontrer une ourse privée de ses petits qu' un insensé en son délire.
Oha / Oh 17:13 Whoso rewardeth evil for good, evil shall not depart from his house. Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. Izay mamaly ratsy ny soa, dia tsy hialan-doza mandrakizay ny tranony. Qui rend le mal pour le bien, le malheur ne s'éloignera pas de sa maison.
Oha / Oh 17:14 The beginning of strife is as when one letteth out water: therefore leave off contention, before it be meddled with. Ny fiandohan' ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra. Ny manombok' ady, dia toy ny manata-drano, ka mihataha hianao, dieny mbola tsy velona ny fanditra. C' est libérer les eaux qu' entamer une querelle; avant que n'éclate le procès, désiste-toi.
Oha / Oh 17:15 He that justifieth the wicked, and he that condemneth the just, even they both are abomination to the Lord. Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason' i Jehovah. Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason' ny Tompo. Acquitter le coupable et condamner le juste : deux choses également en horreur à Yahvé.
Oha / Oh 17:16 Wherefore is there a price in the hand of a fool to get wisdom, seeing he hath no heart to it? Hatao inona re ity vola an-tànan' ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy. Hatao inona ny vola eo an-tanan' ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany. A quoi bon de l' argent dans la main d' un sot ? A acheter la sagesse ? Il n' y a pas le coeur!
Oha / Oh 17:17 A friend loveth at all times, and a brother is born for adversity. Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin' ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin' ny fahoriana. Ny sakaiza dia ny tia amin' ny fotoana rehetra; amin' ny fahoriana, mitsanga-ko rahalahy izy. Un ami aime en tout temps, un frère est engendré en vue de l' adversité.
Oha / Oh 17:18 A man void of understanding striketh hands, and becometh surety in the presence of his friend. Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan' ny sakaizany. Ny olona tsy misy saina mamehy tena amin' ny fanekena, manolo-tena ho antoka hisolo ny namany. Est court de sens qui tope dans la main et pour son prochain se porte garant.
Oha / Oh 17:19 He loveth transgression that loveth strife: and he that exalteth his gate seeketh destruction. Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana. Izay tia ady, tia ota, ary izay avo vava tia fionganana. C' est aimer l' offense qu' aimer la chicane, qui se montre orgueilleux cultive la ruine.
Oha / Oh 17:20 He that hath a froward heart findeth no good: and he that hath a perverse tongue falleth into mischief. Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin' ny loza. Izay manana fo mamitaka tsy mahita ny fahasambarana, ary izay manana vava ratsy mivarina aman-doza. Qui a le coeur tortueux ne trouve pas le bonheur, qui a la langue perverse tombe dans le malheur.
Oha / Oh 17:21 He that begetteth a fool doeth it to his sorrow: and the father of a fool hath no joy. Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain' ny adala tsy ho faly. Izay miteraka adala, hahazo alahelo; ny rain' ny adala tsy mba ho faly. Qui engendre un sot, c' est pour son chagrin; il n' a guère de joie, le père de l' insensé!
Oha / Oh 17:22 A merry heart doeth good like a medicine: but a broken spirit drieth the bones. Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. Ny fo ravoravo, fanafody mandaitra tokoa; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. Coeur joyeux améliore la santé, esprit déprimé dessèche les os.
Oha / Oh 17:23 A wicked man taketh a gift out of the bosom to pervert the ways of judgment. Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny. Mandray kolikoly avy any anaty valombalonan-damba ny ratsy fanahy; ho enti-mamadika ny lalan' ny fahamarinana. Le méchant accepte un présent sous le manteau, pour faire une entorse au droit.
Oha / Oh 17:24 Wisdom is before him that hath understanding; but the eyes of a fool are in the ends of the earth. Eo anoloan' ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason' ny adala dia mibirioka any amin' ny faran' ny tany. Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason' ny adala dia any am-paran' ny tany. L' homme intelligent a devant lui la sagesse, mais les regards du sot se portent au bout du monde.
Oha / Oh 17:25 A foolish son is a grief to his father, and bitterness to her that bare him. Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin' ny reniny niteraka azy. Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy, sady fahoriana ho an-dreniny. Chagrin pour son père qu' un fils insensé, et amertume pour celle qui l' a enfanté.
Oha / Oh 17:26 Also to punish the just is not good, nor to strike princes for equity. Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany. Tsy mety ny mamely ny marina amin' ny sazy, na manameloka ny manan-kaja noho ny fahitsiam-pony. Il n' est pas bon de mettre le juste à l' amende; frapper les nobles est contraire au droit.
Oha / Oh 17:27 He that hath knowledge spareth his words: and a man of understanding is of an excellent spirit. Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. Izay mahatam-bava no manana ny fahaizana, ary izay mihaminkamin-tsaina dia olona manan-tsaina. Qui retient ses paroles connaît le savoir, un esprit froid est un homme d' intelligence.
Oha / Oh 17:28 Even a fool, when he holdeth his peace, is counted wise: and he that shutteth his lips is esteemed a man of understanding. Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina. Na ny adala aza, atao ho hendry raha mangina, ary atao ho manan-tsaina, raha mikombom-bava. Même le fou, s' il se tait, passe pour sage, pour intelligent, celui qui clôt ses lèvres.

<-
->