|
|
|
|

Entry 1  mangotraka
Root  2 hotraka
Part of speech  3  active verb
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
Explanations in Malagasy  7 Enti-milaza rano na zavatra hafa hafanaina ka efa matanta be miketriketrika: Efa mangotraka ny tsaramaso
8 Mandevy
9 Mahery fo, mavitrika: Mangotraka Rakoto iny raha miasa
10 Mafana, mirehidrehitra: Nangotraka izay kabary nataony izay
11 Fatratra, mahafinaritra izaitsizy, kanto: Nangotraka ny kilalaonay tany an-tsaha
12 Mandeha tsara, mahomby, mandroso: Mangotraka izao ny fiompiana kisoa
13 Mafy aoka izany: Tandremo fa mangotraka izao ny fisavankaratra [1.1]
Explanations in English  14 to boil, to be boiling hot
15 to be very animated [1.7]
Explanations in French  16 bouillir, être en ébullition
17 être très animé [1.8]
Combinations  18  1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word mangotraka
Proverbs  19  Proverbs containing that word

Updated on 2026/04/21