|
|
|
|

Entry 1  mandre
Root  2 re
Part of speech  3  active verb
Morphology 
4  Present :
5  Past :
6  Future :
7  Imperative :
Explanations in Malagasy  8 Mahalala fisiana feon-javatra iray amin' ny alalan' ny sofina: Tsy mandre na inona na inona ny sofiko fadonton' ny kininina
9 Mahafantatra: Vao izao aho no nandre fa narary ny zanakao
10 Mahatsiaro: Tsy mandre maharary rehefa mitsindrona amin' itỳ fanafody
11 Teny mifandray hevitra (Mihaino): mitaino, manongilan-tsofina, mampandry sofina, mihaino vilana, mitaino ilany, tailam-pandrenesana
12 Teny mifandray hevitra (Tsy mihaino): manentsin-tadiny, mamono sofina, manary sioka, manao henoy izany ry hazon-damosiko!, mafy sofina, mafy tadiny, lalodalovana, donto sofina, domelina, karenina, marenina [1.1]
Explanations in English  13 to hear; to perceive by hearing, touch, taste or smell [1.7]
Explanations in French  14 entendre, apprendre, sentir [1.3]
15 entendre; apprendre; sentir par le toucher, le goût, ou l'odorat [1.8]
Examples  16  Tsy mandre mihitsy anie aho e! [2.117#]
17  Tsy mandre ny ketsoketso-borona anie! [2.69#]
18  Faly aho raha mandre izany teninareo izany. [2.298#]
Vocabulary  19  Biology
Synonyms  20 mahare
Combinations  21  3 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word mandre
Proverbs  22  Proverbs containing that word

Updated on 2026/04/22