|
|
|
|

Entry 1  hevitra
Part of speech  2  noun
Morphology 
3  Simple :
4  Prefixed :
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Nouns :
Adjectives :
Explanations in Malagasy  17 Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany
18 Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity
19 Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao
20 Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io
21 Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra
22 Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao
23 Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona
24 Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity
25 Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao?
26 Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity
27 Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1]
Explanations in English  28 thought, thinking an idea [1.7]
Explanations in French  29 pensée, idée [1.3#242, 1.8]
30 opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion)
31 sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion)
32 jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu)
33 intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence)
34 conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné)
35 sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot)
36 signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole)
37 projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir)
38 expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras)
39 ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt)
40 motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses)
41 raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde)
42 prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail)
43 récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail)
44 valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit)
45 complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire)
46 rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure)
47 proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3]
Examples  48  Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19]
49  Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62]
50  Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242]
51  Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243]
Vocabulary  52  Philosophy
Analogs  53  torohevitra
Combinations  54  108 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word hevitra
Proverbs  55  Proverbs containing that word

Updated on 2026/04/22