|
|
|
|

Entry 1  henatra
Part of speech  2  noun
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Adjectives :
Explanations in Malagasy  11 Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra: Henatr' olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan' ny olona
12 Fahatsiarova na ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran' ny fokonolona nangalatra teo an-tsena
13 Fahafaham-baraka: Henatra ho an' ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny
14 Fanajana be loatra amin' ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy [1.1]
Explanations in English  15 shame, disgrace [1.2, 1.7]
16 shamefacedness, bashfulness [1.2]
Explanations in French  17 honte; humiliation [1.8]
18 [heñatra] [Sakalava-Mayotte] honte [1.405]
Examples  19  Misahirana atosiky ny fitiavana mifangaro henatra ny ho ratsy laza izany no mihaokaoka. [2.245#]
20  Te-hikosoka ny henatra lehibe tamin' ny nisaoran' olona ny zanany vavy tokana, hono, izy. [2.643#]
Vocabulary  21  Emotions
Combinations  22  18 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word henatra
Proverbs  23  Proverbs containing that word
Article  24 Randzavola: henatra ao amin' ny Baiboly

Anagrams  henatra, 25 hetrana

Updated on 2026/04/21