|
|
|
|

Entry 1  fahirano
Elementary words  2 fahy, 3 rano
Part of speech  4  noun
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Explanations in Malagasy  8 (fahy sy rano) fanao ny fahavalo ny miambina manodidina ny tanàna na vohitra tiany horesena, ka misakana ny mponina ao mba tsy hahazo mivoaka hitady rano sy hanina, ary tsy ho azon' ny avy aty ivelany hanaterana koa. Amin' izay, rehefa voan' ny mosary ny ao an-tanàna dia mikoy ho azy, resy tsy miady. Andrianampoinimerina sy Ilaidama dia samy nampiasa ny fahirano tamin' ny ady sasany nataony. [1.10#F.133]
9 Fanodidinan' ny fahavalo ny tanàna mba tsy hahafahan' ny mponina ao mivoaka hitady sakafo na rano: Raha tsy natao fahirano ny tanànan' Ambohijoky tsy azo [1.1#197]
Explanations in English  10 A siege. [1.2]
Explanations in French  11 (fahy, rano) Ceux que l’on prive d'eau ; siège d’une place [1.3#138]
12 Une place assiégée privée d' eau. Les assiégeants coupaient l' eau aux assiégés, et ceux-ci, n'ayant ordinairement pas d' eau sur les hauteurs où ils habitaient, ne pouvaient pas vivre [2.415]
Examples  13  Dia natao fahirano Ambohijoky. [2.48#564]
14  fahirano elaela ihany, ka afany. [1.38#15]
15  tompoko, ka ataony fahirano ny vahoaka; [2.69#22]
16  Niova tetika izy ka nataony fahirano ny tanàna. [2.508#322]
Vocabulary  17  Military
Article  18 Randzavola: fahirano ao amin' ny Baiboly

Anagrams  fahirano, 19 fañoriha, 20 firohana, 21 foharina, 22 hiforana, 23 rafohina

Updated on 2026/04/19