|
|
|
|

Entry (1/2) 1  andriamanitra
Part of speech  2  noun
Explanations in English  3 a god (sometimes used of the ancestors) [1.7]
Explanations in French  4 dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure [1.3]
5 un dieu (se dit parfois des ancêtres) [1.8]
Examples  6  Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. [2.293]
Vocabulary  7  Beliefs
Combinations  8  5 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word andriamanitra

Entry (2/2) 9  andriamanitra
Part of speech  10  name (biblical) [Full list]
Morphology 
11  Simple :
Explanations in Malagasy  12 Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy
13 Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa:
14 a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy
15 b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona
16 d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona
17 e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona
18 f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana
19 g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy
20 h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha
21 Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra
22 Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano [1.1]
Explanations in English  23 God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary [1.2]
24 God [1.7]
Explanations in French  25 Dieu [1.3, 1.8, 1.5]
26 Le Créateur [1.3]
Examples  27  Fa maninona re izahay, andriamanitra, no dia nidiran-doza toy itony! [2.324]
28  Hafahafa ihany ny soratr' aretiny ary tsy fantatra rahateo izay sitrapon' andriamanitra. [2.470#61]
Vocabulary  29  Holy Scriptures 30  Religion and Liturgy
Analogs  31  andriananahary, 32  andriananahary, 33  andtra, 34  andtra, 35  zanahary, 36  zanahary
Combinations  37  14 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word andriamanitra
Proverbs  38  Proverbs containing that word
Biblical quotes  39 Chapters and verses mentioning Andriamanitra
Article  40 Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra

Anagrams  andriamanitra, Andriamanitra

Updated on 2026/08/13