|
|
|
|

Entry (1/3) 1  embona
Part of speech  2  noun
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Nouns :
Explanations in Malagasy  12 fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana [1.1]
Explanations in English  13 sigh [1.209]
Explanations in French  14 regret
15 soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu [1.3]
Examples  16  Hita mifaritra mazava ny azy ny embona. [2.314#48]
17  Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay! [2.356#64]
18  Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony. [2.529#66]
Vocabulary  19  Emotions
Analogs  20  hanina
Combinations  21  2 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word embona

Entry (2/3) 22  embona
Part of speech  23  noun
Derivatives 
Active verbs :
Relative verbs :
Explanations in French  26 [Tankarana] flotter [1.19]

Entry (3/3) 27  Embona
Elementary words  28 embona
Part of speech  29  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  30  Literature: poems
Author  31 Razafindrafidy Bien-Aimé
Full text  32 
33  Midona malefaka ery Ankaratra,
34  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
35  Midona kanefa tsy fahavaratra,
36  fa erika kely no re mifafy.

37  Lanitra soa, tomarataratra,
38  otronin'ny rahona mitsitoko,
39  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
40  zary manjombona sy manjoko.

41  Ankaratra ô! nahoana kosa,
42  manembona ve ilay nisaraka,
43  ka ny tolokony miavosa
44  eo aminao no te-hiraraka?…

45  Raha manina izy ka mitomany,
46  lalim-pisento fa te-hiverina,
47  asaivo mitony hangina ihany
48  fa toraka izany'lay eto Imerina!

49  Ny sentom-pony raha tonga fatra
50  - ka indro mandrotika ny fanahy -
51  aoka hionona fa ny ratra
52  iombonako aminy lavitra ahy!

53  Tsy oram-baratra no midona, fa
54  fo feno hanina no miteny,
55  ka ny vetsom-panahiny kely foana
56  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

57  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
58  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
59  meteza ianao mba ho fitaratra
60  hampita ny sarin'ilay miery.

61  Vaky tsipelana ve Anjafy
62  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
63  Raha izy misento ka mafimafy,
64  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrams  65 ambeno, 66 ambone, 67 añombe, 68 bomena, embona, Embona, 69 mañebo

Updated on 2026/10/18