| Entry (1/2) | 1 amena |
| Part of speech | 2 noun |
| Explanations in Malagasy |
3 Teny hebrio izay fahita amin' ny fiafaran' ny vavaka fanaon' ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany
[1.1] |
| Examples |
4 Vita ny amena, dia tapitra ny ainy.
[2.649#208]
5 Ary ravehivavy hanao hoe: amena, amena. [2.996] |
| Vocabulary | 6 Religion and Liturgy |
| Combinations | 7 1 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word amena |
| Entry (2/2) | 8 Amena |
| Elementary words | 9 amena |
| Part of speech | 10 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 11 Literature: poems |
| Author |
12 Raoely James |
| Full text |
13 14 Tsy avona akory no mitondra 15 iny rahona iny hisavoana, 16 Fa mba toa azy koa ny foko, 17 maniry hisondrotra ambony! 18 Tonga ny taona vaovao 19 mitondra hira mavokely 20 hokaloin'ny voron'alina, 21 sombinaiko ô, mifohaza! 22 Avelao ny alahelo sy ranomaso 23 hoentin'ny reniranom-panadinoana, 24 Fa misy kintana iray baliaka 25 toy ny masonao diavolana, 26 hitarika antsika ho teraka indray 27 ao amin'ny fanantenana vaovao. 28 Amin'ny tany triatran'ny ririnina 29 no hamelatra indray ny voninkazo. 30 Sombinaiko ô, iriko ho anao 31 taona iray feno hanitra sy hira. 32 Iriko ho anao lanitra menafify 33 hampialona ny laoranjy masaka, 34 sy feon-dokanga mihararetra, miakatra 35 toy ny vavaky ny ankizy hatory. 36 Iriko ho anao ny fotoana mamy 37 hiverenan'ireo lasan-davitra; 38 ary ny tanana iray malefadefaka 39 hitondra safosafo eo an-dohanao 40 mivesatra ny onjan'ny tany. 41 Dia hiarahantsika manandratra 42 Ny Amena fiton'ny fitiavana . |
| Anagrams | Amena, amena, 43 Anema, 44 mañea |
| Updated on 2026/10/18 |
|