AKTA 2Any Vohimarina ary no mitohy ny tantara Tany any Antomboka io, tendrony eto Gasikara. Vodifahitra voafidy ho an' ny Komandy hova... Mbola ao ankehitriny ny sisa fototry ny Rova... Manda vita nanahary, vohitra manerinerina Tena sarotra anihina, famaharan' ny Merina. Tanjona mitomandavana, mihantsan-drindrim-bato ngeza, Mitsaratoka ombieny tsy azo anaovana vereza. Ratovelo : Niandry koa aho raha niandry ka ny foko tena liana Ka nony tonga hianao, akory ny ahy ny hafaliana ! Mandroso fahanterana aho, tena mahatsiaro ho sasatra, Ka heveriko fa rariny sy mba tokony hiakatra Na inona na inona herim-poko, ny nofo efa mihareraka Dia tsy ho afaka anefa ny adidiko ho tanteraka. Tonga hianao ankehitriny tena mbola tovolahy ; Voatombako avy hatrany andriam-po andriam-panahy Tomady sady tena havanana ary hita eo no ho eo. Fa ho lehilahy vonona tsy ho taitra izay hiseho. Ary ireto aoriana ireto ny ho lefitrao Komandy. Lehilahy matanjaka avy, mahazo nofo, vory sandry Mafy tontona tantetaka, mpianefitra efa zatra ; Tena kinga lokan' ady mitondra holatry ny ratra. Vonona tsy ankanavaka, eny izy rehetra rehetra. Fa hanao anao lehibeny ka ny ainy no ho fetra. Sa tsy izay ry menavazana. Omeo toky Andriamatoa Ireo menavazana : Izay dia izay... eny izay... tena izay tokoa tokoa. |
Ratovelo : Rehefa voalamindamina voapetraka ny entana Dia omeo rano ho sotroiny ireo sasatra mangetana. Rasata : (somary mitokana) Tena anaty akata aho, very anaty akata marina Hanao ahoana ny fiainako aminao ry Vohimarina Injany alahelo kely ao anatiko ao mifongatra Ary ny embona an' Imerina tsy tana fa mirongatra. Ary tafondron-dRanavalona miandrana eto akaiky anefa No tandroaka ny alaheloko, aoka hivonona ahefa Ratovelo : Efa fantatrao izao ny tsy ahafahako hipetraka Ka ny resaka hafa indray no aoka ho hazavaina betsaka Alohan' ny hiaingako sy hodiako any Imerina, Rasata : Moa misy fantatrao fa tena maika ho heverina ? Ratovelo : Tsara ny ahalalanao ny fitobian' ny Sakalava Manolotra an' i Vohimarina ; tsara ireny ho fandrava Sao joavata sy Irodo, misy hafa lieliely Fa ny tena mafy indrindra dia Ambolobozikely. (Misy ankizy mihira ny HARIVA AN-TANIN' OLONA, dihy folklorika) Rasata : Iza izato lehilahy mailamailaka fijery ? |
|