Andao hianao hiaraka amiko, ho tia ahy ho tiaviko. Ataoko tenako fa vadiko, ho solon-dreny sy anabaviko. Hifampikarakara isika ka ny tsy hanenenanao Amin' ny fahababoanao no ho hezahiko hatao. Nefa koa nefa koa misy zavatra atahorako Ary toa mandindona ahy amin' ny lalana hizorako Azonao natao mantsy ny namely ahy ho faty Tsy ahavaly izany aho satria fantatro ao anaty Fa an' ny tanindrazako aho alohan' ny zavatra rehetra Tsy azoko omena ny voady tsy hita fetra. Batsola : Tsy maninona tsy akory ry malalako. Izao ihany Aza hadinoina aho na oviana na oviana eto an-tany Rehefa tsy azonao atao, rehefa hody any Imerina Ny hitondra ahy hanaraka dia ekeko ny hiverina Amin' izay fotoana izay, dia ity nosy ity No hany toerana hisy ahy... Sesin-tanin' ny Fitia ! ... Ho azonao antsoina aho amin' izay ilana ahy, Tsy hitsahatra ho babo saina, fo, sy fanahy. |
AKTA 4Diso fihevitra mihitsy Ratovelo raha nitazana Amin' ny fitilian-davitra ka nandray ho fahombiazana Ho an' ny tafiky ny azy ny tarÃ-dositra voalaza Fa nataon' ny Sakalava. Ninoany f' efa resy aza. Fony injay niparitaka ; tsinjony eny ampitiliana Ny tafiky ny Sakalava... Hany izy ka efa liana ! Rava rahateo moa iny fanafihana iny. Ka noheveriny ho nahomby ilay mpitarika vahiny Nony injay ary tonga Lefahitra nilaza Dia notanany ho mpamitaka ka avy hatrany dia sahaza Ho atao an-tranomaizina mandra-piandry an-dry zalahy Dia niandry, izy, niandry. Tsy mbola tena niahiahy. Kanjo nony injay tonga ireo miaramila isany, Dia izay vao ankona izy. Nantsoiny ilay tsy nitokisany, Haverina ho alaina am-bavany. Fantatsika ny hafetseny... Miseho ho tsy faly mafy izy, mihenahena tsy miteny... Dia nahitsoka indray tao an' efitra fisainana, Nefa mody tsy nihintsona, tsy nanao fitarainana Hatao ahoana ary ny aminy ? Hovonoina moa laikary Sao veloma tsy ho azo ny fahalalany miharihary... Havela fotsiny amin' izao, manirikiry, mihenahena. Dia ny tambitamby indray no handramana ho jerena. Ratovelo : Avoahy ka ento eto Lefahitra ho fotorana... Eny malahelo aho, tapaho daholo ny fatorana, Tamin' ny fitondrana teo somary toa nahery vaika ; Nefa ny antony tsy inona fa noho ny saiko efa maika Hahalala izay izy amin' izao ragaraga izao. Hody maty ve Rasata, sa babo ka natao |
|