|
|
|
|

Entry (1/2)1  varoa
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 Ny varoa dia bibikely mpanimba tafiditra teto amintsika taona vitsy izao.
4 Efa tany amin' ny taona 1950 no nahitana ny varoa, antsoina hoe
5 "Varroa destructor" amin' ny kaontinanta Azia. Ny taona 1966 no nambara ofisialy
6 ny maha biby manimba azy sy ny loza aterany. Rehefa niparitaka tany Eoropa izy
7 ny taona 1970 dia tonga teto amintsika ny taona 2010.
8 Bibikely mivelona amin' ny ran' ny renitantely ny varoa, ary manatody sy mitombo
9 haingana mihoatra ny fitombon' ny renitantely.
10 Azo lazaina ho toy ny karazana kongona na hao izy io, miloko mena matroka manompy volontany,
11 mirefy 1,1 hatramin' ny 1,2 mm ny halavany ary 1.5 hatramin' ny 1,6 mm ny sakany,
12 izany hoe toy ny loha-paingotra ny habeny. [5.mg.https://apimadagascar.files.wordpress.com/2012/09/livret_adygasy.pdf]
Vocabulary  13  Zoology: invertebrates 14  Zoology: veterinary art
Analogs  15  varoazy

Entry (2/2)16  varoa
Part of speech  17  noun
Explanations in French  18 Protorhus sericea Engl. (Anacardiaceae). [Tanala] [1.196]
Vocabulary  19  Botany
Scientific name 

Anagrams  20 arova, 21 ravao, 22 varoa, 23 voara

Updated on 2025/11/13