|
|
|
|

Entry1  vaninteny
Elementary words  2  vany, 3  teny
Part of speech  4  noun
Explanations in Malagasy  5  tarehintsoratra tokana na maro izay tononina indray miaraka, na hoe feo iray tanteraka. Ohatra: mi-hi-na-na, sa-ka-fo, i-si-ka
Misy teny sasany vaninteny iray monja. Ohatra: mba, ho, ra.
Misy vaninteny roa. Ohatra: kibo, vary, hena.
Misy vaninteny telo, efatra ary mihoatra an' izany aza. Ohatra: me-na-ka, ka-ra-za-na, a-sa-li-sa-ly.
Ny zanatsoratra roa mifanarakaraka dia mety hikambana ho feo iray ka vaninteny tokana ihany, na samy mitana ny feony avy ka vaninteny roa. Ohatra: tsi-nay, a-i-lika, ha-ndroi-na, fo-i-zi-na, tao-la-na, a-o-la-na.
Raha mampisaraka ny vaninteny ao amin' ny teny iray, dia ampiarahina mandrakariva ireo renisoratra roa mifampibaby fa tsy sarahina. Ohatra: mo-mba, ha-tra-ny, na-ha-ndro. [1.146#15]
6  fitambaran'ny feo tononina miaraka [1.13]
Explanations in French  7  syllabe [1.13]
All compound words  8  fizarana vaninteny
Vocabulary  9  Linguistics

Updated on 2025/10/08