Entry | tsilaolao | |
Part of speech | noun | |
Explanations in Malagasy | Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly:
Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an' ny ankizivavy kely Kilalao amin' ny hevitra an' ohatra: Tian' ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny" (Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Lalao tian' ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian' ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: enti-milaza kilalao madinika na lalao amin' ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony) [1.1] | |
Examples | izay olona te hizaha tsilaolao tsara izao andro anaovany Kelimalaza kilalao
[2.48] | |
Vocabulary | Game | |
Updated on 2020/07/31 |