|
|
|
|

Entry1  tokotany
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim-pasana
4 Tany voafaritra -- ary matetika aza voafefy -- miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan' ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotany!
5 a) Ny ankevitry ny tombam-bidin' ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr' io olona io. -b) Antoka: Ny karaman' ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan' io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin' endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin' ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon' ny tokotanin' ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy mavo, fa manga ny tokotaniny [1.1]
Explanations in English  6 the yard around a house; grounds [1.7]
Explanations in French  7 cour [1.8]
Other spellings  8 kototany
All compound words  9 saran-tokotany
Proverbs  10  Proverbs containing that word

Anagrams  11 kototany, tokotany

Updated on 2025/11/09