Entry | 1 Takariva am-pivahiniana |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 3 Literature: poems |
Author |
4 Dox |
Full text |
5 Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko 6 Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy, 7 Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny... 8 Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko! 9 Dify any ny masoandro. 10 Ny aloka iny tafandriana. 11 Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano. 12 Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano, 13 Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana… 14 Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko 15 Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko... 16 Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory! 17 Eto ambody aviavy no iainako an'izany. 18 Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany! 19 Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory... |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |