| Entry | 1 sakivy |
| Part of speech | 2 noun |
| Explanations in Malagasy |
3 Toetra voalohany ananan' ny voangory raha vao foy izy, alohan' ny hiofoany ho monany: biby lavalava kely fotsifotsy mora mikarainkona. (Misy karazany telo ny sakivy: a) ny kely madinika izay miofo ho voangorimbaratra; b) ny salasalany, miofo ho voangorifotsitapaka; d) ny makadiry miofo ho voangoribe. Rehefa mby lehibebe an-katoky ny hiofo ho monany ny sakivy, dia omena ny anarana hoe Rangahy) [1.1] |
| Vocabulary | 4 Zoology: invertebrates |
| Synonyms | 5 sakoivy |
| Updated on 2025/09/12 |
|