Entry Razakandraina: Asa izany
Part of speech name (poem title)
Author Razakandraina Jean Verdi Salomon
 
Ny masonao no itiavako iny abakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny abakaba-manga !
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga.

Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany !
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.

Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo
Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo
Nitondra hira tamin’ny fiainako
Nangina hira an-taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako
Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko
Ka mivetso ny fitiavana

Ny antony… fantaro.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

2017/06/21