Entry Ratany: Raha
Part of speech name (poem title)
Author Ratany Samuel, 1925
 
Raha sendra midona ny voalohan'orana,
Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
Kanefa tsy taitran'izany ny fody ;
Raha zaza tinaiza no re mitomany,
Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
Raha toa fanekena sendra midona,
Kanefa voatifitry ny harika mora ;

Raha volana maro no niandry fitia,
Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
Raha toa efa tony ny rano maria,
Ny lakana anefa tsy manim-podiana;
Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
Kanefa ny tiana vao maika matory ;
Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
Kanefa voavadiky ny andro mahory;

Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
Tandindona akory tonga hisolo

Ahoana ? Inona ary ny anton'izany ?
Miangatra ve ny lalàn'ny tany ?

Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
Dia miova ny lahatra sy ny safidy
Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
Aleo dia mamoy azy mandrakizay.
Tables and plates All the titles

2017/06/21