Entry Rakotosaona
Part of speech name (anthroponym) [full list]
Malagasy definition Rakotosaona (24 Janoary 1916 - 26 Jona 1975)

Teraka tamin'ny 24 Janoary 1916 tamin'ny 10 ora tao Maroharona, canton d'Andriba, district de Maevatanàna : zana-Drazanabelo sy Rainizafindrafara, na Rainifara, samy mpamboly, mponina tao Mahatsinjo.

Nianatra tao amin'ny Ecole Indigène du 1er degré n'ny Mahatsinjo ary koa tao amin'ny Ecole Régionale n'ny Maevatanàna. Hita fa natsilo saina tokoa izy tamin'izany, sady nilofo tamin'ny fianarana ary koa, ny Soratra Masina.

Nandia ny fianarana ambaratonga voalohany izy nandritrin'ny taona 1924-1931 ary niditra tao amin'ny Ecole Régionale tamin'ny taona 1931-1934.

Tamin'ny taona 1934 no nahazoany ny mari-pahaizana Certificat d'Etudes du Second Degré ary koa ny Certificat (Cours Supérieur) mikasika ny fanadinana Sekoly Alahady (Avril 1934).

Tamin'ny 04 Desambra 1936, no natolotra azy ny Certificat d'Aptitude l'Enseignement des Travaux Agricoles dans les Ecoles Indigènes du 1er degré de Madagascar et Dépendances.

Voatendry hiasa tao Ankazobe izy tamin'ny taona 1937, arakin'ny Décision n°77 du 20 Août 1937.

02 Mey 1938 : Notolorana ny Diplaoma ho fanamarihana ny maha Mpitoriteny azy izy, tamin'ny fanadinana izay nataony tao Ankazobe ny 18 Aprily 1938.

31 Aogositra 1938: Titularisation dans le cadre des Instituteurs de 5ème classe, suivant l' arrêté du 1er Septembre 1938. Voatendry hiasa tao Betrandraka, district de Tsaratanàna tamin'ny taona 1938 ihany arakin'ny Décision n° 96 ny 26 Septambra 1938.

Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 1938, ka hatramin'ny volana Septambra 1941, nanaraka ny Cours de Perfectionnement par Correspondance (cf. TLO n° 3262 du 28 Octobre 1938 de Monsieur le Chef de la Circonscription Scolaire de Mahajanga, lettres n° 6608 du mois de Septembre 1938, n° 71 du 06 Janvier 1940, n°171 du 13 Janvier 1941 de Monsieur l'Inspecteur Général de l'Institution Publique).

Nanambady an-Drazanamaria tao Betrandraka Andriamatoa RAKOTOSAONA tamin'ny 23 Jolay 1941.

Voatendry handray anjara any Mahajanga amin'ny fanadinana handraisana Professeur-Assistants dimy , arakin'ny arrêté du 08 Septembre 1941, fanadinana an-tsoratra no natao tamin'izany.

Afaka tamin'ny fanadinana izay nataony tany Mahajanga, ary nandeha nankany Antananarivo mba hamonjy ny fanadinana am-bava, arakin'ny T.O. n° 6161 du 10 Décembre 1941.

Nanaraka ny fianarana ho Professeur-Assistant tao amin'ny Sekoly Le Myre de Vilers (Section Normale) izy tamin'ny taona 1942 ka hatramin'ny taona 1945.

10 Desambra 1945: Voaray ho Professeur-Assistant du Service de l'Enseignement, Instituteur de 3ème classe.

09 Febroary 1946 : Voaray ho Professeur-Assistant de 3ème classe de Cadre Spécial de l'Enseignement.

Voatendry hiasa tao Maroantsetra, rehefa avy niasa tao amin'ny Ecole Flacourt (Faravohitra).

Noraisina ho Diakona tamin'ny 07 Marsa 1948 tao amin'ny Fiangonana M.F.P. n'ny Maroantsetra.

Natao ho Professeur-Assistant du 2ème classe tamin'ny 01 Janoary 1949.

Natao ho Professeur-Assistant du 1ère classe tamin'ny 01 Jolay 1950.

Teo amin'ny taona 50 teo, no nanombohany ny nanaovany Poesy sy lahatsoratra izay nilaina tokoa teo amin'ny sehatrin'ny fampisehoana Teatra, ary teo koa no nanombohany nanaovana ny fikarohana momba ny teny Malagasy.

Koa noho izany dia ireto avy ireo Poesy sy Lahatsoratra izay nataony:

Poesy:
- I Neny
- Antso
- Nenibe, Dadatoa, ary Zoky
- Tsikitsiky
- Ny valihan'i Dada
- Indro tazako eto indray
(Ireo Poesy ireo dia novakiana tamin'ny namindrana ny Razana avy teo Mahatsinjo, nankany amin'ny Tanindrazana Ambohimanambola).
- Ny kary tonga Saka
- Jamba mifampitarika
- Voalavo am-piangonana
- Ny fody sy ny Kalo
- Hitako Maroantsetra.

Lahatsoratra:
- Ra toaka no tsaraina
- Tantaran'I Bemafoaka.

31 Marsa 1955: Natao ho SIX HONNEURS arakin'ny Décision Provinciale n° 393 - D.

13 Novambra 1955 : Notolorana ny Certificat, Jobily faha-17 taona ny maha mpandray ny Fanasan'ny Tompo azy izy.

25 Oktobra 1957: Natao ho SEPT HONNEURS.

16 Novembre 1958 : Natao ho Instituteur Principal de Classe Exceptionnelle arakin'ny arrêté Provincial n° 222-CP/AGP du 17 Décembre 1958.

01 Jolay 1960 : Natao ho Instituteur de 2ème classe, 4ème classe, arakin'ny arrêté n° 2642-FOP/TE.2 du 23 Novembre 1962).

14 Oktobra 1960 : Natao ho HUIT HONNEURS, arakin'ny Décision Provinciale n° 14 CPB du 12 Octobre 1960.

16 Novambra 1960 : Natao ho Instituteur Principal de Classe Exceptionnelle, Indice 545, arakin'ny arrêté n° 461 EN/SAI/P du 23 Février 1962.

07 Mey 1961: Notolorana ny Certificat ho fahatsiarovana ny nandraisana azy ho Diakona.

01 Jolay 1962: Natao ho 4ème echelon du grade d'Instituteur de 2ème classe, arakin'ny arrêté n° 1031-EN du 17 Avril 1963.

23 Novambra 1962 : Intégré dans la catégorie B des Instituteurs et Institutrices.

26 Desambra 1962 : Natao ho CHEVALIER DE L'ORDRE NATIONAL arakin'ny arrêté n° 2966-PRM/GCH du 26 Décembre 1962.

Tamin'ny taona 1963 dia voatendry ho mpisolo vava Andriamatoa RAKOTOSAONA, nohon'ny tsy fisian'ny avocat, na agent d'affaire agréé tao Maroantsetra.

Voatendry hiasa tao Maevatanàna tamin'ny volana Septambra 1964. Teo amin'ny roa volana teo ihany no nipetrahany tao Maevatanàna fa arakin'ny taratasy n° 1507/EN. SA.I du 08 Octobre 1964, de Monsieur le Directeur du Cours Complémentaire de Maevatanàna, dia Détaché auprès de la Présidence de la République Andriamatoa RAKOTOSAONA, taratasy izay nohamafisin'ny arrêté n° 3288/FOP/TE.1 du 28 Novembre 1964.

Ny asa niandraiketany tao Andafiavaratra dia ny hoe Chargé de mission momba ny teny Malagasy.

Natao ho Instituteur de cadre B de 1ère classe , 2ème échelon, tamin'ny 01 Jolay 1965, arakin'ny arrêté n° 2076-EN du 19 Juillet 1965.

Niampita ranomasina izy tamin'ny volana Aogositra 1965, i Parisy sy Besançon no toerana nalehany tamin'izany ary tany no nahazoany ny Certificat avy amin'ny Centre Linguistique de Besaçon.

Natao ho 1ère classe, 3ème échelon izy nanomboka tamin'ny 01 Jolay 1967 arakin'ny arrêté n° 3925-AC du 23 Novembre 1966.

Natao ho Attaché d'Administration Académique de 1ère classe, 1er échelon (Intégration dans le corps de catégorie A2) nanomboka tamin'ny taona 1968, arakin'ny décret n°68-556 du 03 Décembre 1968.

Natao ho mpikambana mahefa tao amin'ny Akademia Malagasy arakin'ny décret n° 70-359 du 30 Juin 1970.

11 Febroary 1973 : Natolotra azy ny taratasy fanamarihana ny maha Diakona azy tao amin'ny Fiangonana F.J.K.M. Ambalavao Isotry (Antananarivo).

Niandraikitra ny Fanagasiana tamin'ireto Ministera lazaina manaraka ireto :

  • Défense Nationale et des Forces Armées (T.L.O. n° 7408 - EMDNFA/3/INS/1 du 01 /06 / 73).
  • Ministeran'ny Fitsarana (n° 74-356-ENAC/SG/DDC/Dir du 04 / 04 / 74).
  • Ministeran'ny Fanajariana ny Tany (Noms géographiques, arakan'ny arrêté n° 3301 du 23 Août 1974).

Niandraikitra koa ny fanazavana sy ny Documentation mikasika ilay fampisehoana Malagasy Iza moa ianao ? tao Andafiavaratra.

Ireto avy ny lisitry ny asa vitan'i Tompokolahy RAKOTOSAONA :
- ANTAKARANA: Rakibolana, Ankamantatra, Fomba, Tantara, Anaran-tany, Kilalaon-jaza.
- ANTAMBAHOAKA: Rakibolana.
- ANTANDROY: Rakibolana, Angano, Fomba, Fomba (Amboasary Sud), Poesy, Ankamantatra, Razan-jaka Antandroy.
- ANTANOSY: Rakibolana, Fomba, Tafasiry, Angano.
- ANTEFASY-ZAFISORO: Rakibolana, Tafasiry.
- ANTEMORO: Ankamantatra, Ohabolana, Rakibolana.
- ANTESAKA: Rakibolana, Hiran'e Laka Sakilo, Tafatsiry, Légendes.
- BARA: Fomba, Vokabolera, Tantara, Rakibolana, Tantara sy Fomba, Tafatsiry.
- BETSILEO : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Tantara, Literatiora.
- BESTIMISARAKA : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Ankamantatra, Tantara, Angano.
- BEZANOZANO : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Ankamantatra, Tantara, Angano.
- MAHAFALY : Rakibolana.
- SAKALAVA : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Ankamantatra, Tafatsiry, Tantara.
- SIHANAKA : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Ankamantatra, Tantara, Angano.
- TANALA : Rakibolana, Fomba, Ohabolana.
- TSIMIHETY : Rakibolana, Fomba, Ohabolana, Ankamantatra, Angano, Jijy. [3.1]

French translation Académicien, auteur de nombreux ouvrages en langue malgache, encore inédits. En particulier, il a produit 16 lexiques dialecticaux traduisant en malgache officiel de nombreux mots spécifiquement Bara, Betsileo, Betsimisaraka, Bezanozano, Mahafaly, Sakalava, Sihanaka, Taifasy-Zafizoro, Taimoro, Taisaka, Tambahoaka, Tanala, Tandroy, Tankarana, Tanosy et Tsimihety. [3.1]
Vocabulary 
Literary works Voambolana Tanindrana sy Tantsiraka
Articles 
Illustrations 

Updated on 2020/07/31