Entry protestanta
Part of speech   noun
Malagasy definition   Antokom-pivavahana kristianina niforona tamin' ny taona 1530; ireto avy ny fotokevitra mampiavaka ny Protestanta sy ny Katolika: fiheverana fa samy mandray ny Soratra Masina araka ny fitsilovan' ny Fanahy Masina azy ny olona tsirairay -- fa ny finoana dia ampy hahavonjy -- tsy misy afa-tsy Sakramenta roa: ny batisa sy ny fanasan' ny Tompo -- Andriamanitra irery no ivavahana sy omem-boninahitra ka voahataka araka izany ny fanajana amam-pangatahana amin' i Masina Maria sy ny Olomasina -- tsy ekena ny konfesy na filazana ny fahotana mba hahazoana ny famotsorana [Rajemisa 1985]
English translation   Protestant [Hallanger 1973]
French translation   protestant [Hallanger 1974]
Vocabulary  
Origin   French: protestant.

Updated on 2012/06/05