|
|
|
|

Entry1  Ny Vola sy ny Heriny amin' ny Taranaka ity
Part of speech  2  name (short story title)
Vocabulary  3  Literature: short story
Author  4 Ravelojaona
Text  5  [CR] Raha tsy diso famantatra aho dia misy zava-droa loha mila hahazo toerana tafahoatra ny antonona azy ao amin' ny sain' ny Malagasy amin' ity taranaka indray mihira ity, dia ny lalao sy ny vola -- tiako holanjaina tsara ny teny ampiasaina :[CR] tafahoatra, hoy izaho.[CR]Ekeko ny hoe :[CR]lehibe, toerana lehibe, fa ny tafahoatra no iriko hosakanana.[CR] Ny momba ny vola ihany no hodinihintsika kely anio.[CR]Marina fa ilaina fatratra, tena tsy azon' ny Malagasy avela mihitsy ny vola hoentiny miaina sy hanefany ny adidiny amin' ny fampandrosoan-tany sy fanjakana anaingan' ny manam-pahefana ny vahoaka.[CR]Marina koa fa raha mitaha amin' ny ankamaroan' olona amin' izao tontolo izao isika Malagasy - tsy amin' ny Vazaha ihany fa amin' ny Japoney mbamin' ny hafa iray razana amintsika, dia miharihary fa mbola firenena "mahantra" (amin-karena) raha ny ankabeazany no raisina.[CR]Izao anefa no mahatsiravina :[CR]tsy ny vola ihany no mahaory antsika Malagasy, fa mbola misy zava-baventy betsaka, zava-tsoa maro :[CR]ny Fahasalamana, izay iankinan' ny fitomboan' ny isan' ny mponina, ny fahaizana amam-pahalalana, ny fahaiza-mitondra tena, ny fihevera-namana;[CR]ireny mbamin' ny tarik' ireny dia tena mbola mahamosarena ity firenena ity.[CR]Amin' ny firenena vanona dia tsy maintsy samy ao, mifandanja tsara lalandava, ireo mofon' aina ireo :[CR]tanjaka, harena, fahaizana sy fahendrena, fahadiovam-pitondrantena ; izany hoe :[CR]fahasalamana, asa, varotra aman-taozavatra, kolejy sy oniversite, fiangonana velona;[CR]ka tena mahakelikely fisainana ihany ny mahita izato izy be voarohin' ny vola ny olona, milentika, tsy amin' ny fitadiavam-bola fotsiny intsony fa amin' ny fitiavam-bola mihitsy.[CR]Voasongon' ny vola mbamin' ny anjaran' ny fianarana sy ny fampandrosoam-pahendrena;[CR]andevon' ny vola ny fahasalamana;[CR]tapahin' ny vola ny fihavanana;[CR]ampandeferiny ny fihevera-namana.[CR]"Izay haha-vola" azy ihany, io no baikom-piainan' ny maro ankehitriny.[CR]Koa lasa dia lasa ny eritreritra, manadinadina hoe :[CR]Ho toy inona ary ny firenena raha voababon' Mamona ny lohany sy ny fony mbamin' ny fanahiny?...[CR]

6  [CR]Mbola azo ahoatra an' izany koa ny hadihady :[CR]ny toe-tsaina maha-mpanavao antsika, amin' ny sivilizasiona, tampohin-javatra, miaraka amin' ny maha-tatsinanana tia fisehoana, mora rendrika amin' ny ivelany;[CR]ampian' ny maha-mponina an-tany mafana, indrakindrafana, dia mety hampanan-kery makadiry ny vola amin' ny saintsika.[CR]Mpanavao, tatsinanana, mponina an-tany mafana ;[CR] sendra antony telo "fanaovany azyy" indrindra Ravola![CR] Ny famantaram-pihamboniana dia ny mikotrokotroka, ny miezinezina, ny mirendrarendra, ny haingo mbamin' ny trano be sy ny saha midadasika, aotomobilina;[CR]fa tsy mba izay miafina, izay tsy hita maso;[CR]izay fahaizana amana halalinan-tsaina, izay hadiovam-pitondrantena, izay asa fampisondrotam-pirenena...[CR](...)[CR]

7  [CR]Ilaina tokoa ny hanana fisainana faran' izay mazava ny amin' ny vola.[CR]Inona indrindra ange izy ity? Manao ahoana sy ahoana ny asany sy ny fiasany? Ary aiza no mpitandrina azy? "Ny hany tokony hanan-karena, hoy i Goethe, dia izay mahazo an-tsaina ny tena toetry ny harena" .[CR]

8  [CR]Ny voalohany tsara tsy halàna eo ambany maso dia ny hoe :[CR]fiasana ny vola, fanàovana.[CR]Mpanompo kanto izy, hoy ilay fitenenana efa mahazatra.[CR]Izany tokoa;[CR]irakiraka faingan-tongotra sady kinga tànana, no matanjaka sy mahay.[CR]Tsy misy tsy efany;[CR]tsy misy mahatoraka azy.[CR]Ny haninkanina tohan' ny aina, izy no mpihaza azy;[CR]ny sekoly mbamin' ny boky fanitaran-tsaina, vidina aminy;[CR]tsy "hozatry ny ady" fotsiny araka ny nilazan' i Montaigne azy izy, fa misy miankina be aminy ny asa fampandrosoana hatramin' ny fanjakan' Andriamanitra.[CR]Tsy azo lavina izany, fiasana makadiribe eo amin' ny fiainan' ny olombelona ny vola;[CR]naman' ny fahasalamana, ny milina, ny tany sy ny rano, ny rivotra sy ny afo.[CR]Koa ilaina hahizingizina io hoe fiasana io, fa io no tena marina.[CR]Ny vola tsy fototra, tsy zavatra kendrena, tsy anton' ny anaovana, fa fiasana fotsiny enti-manefa, lalana ombàna hahatongavana amin' izay aleha, tohatra hiakarana ho ao anaty trano, kombarika ananganana;[CR]izany, ary izany ihany, izany fotsiny no anjaran' ny vola.[CR]Tsara hindramina hilazana izany tokoa ilay teny malazan' ny Tompo ny amin' ny Sabata.[CR]"Ny vola no natao ho an' ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an' ny vola" .[CR]Raha mivadika izany dia antambo no aterany, fa hanjary "Rafotsibe miandry ombalahy" tsy voatanan' ny mpitondra azy.[CR]Ary jereo raha tsy ity "mandimby ananana toy ny amboa nihaza mamba" ity no fototry ny ratsy;[CR]mamohehatra ny olombelona ankehitriny ny hamaroan' ny olona lasa ho mpanompon' ny vola.[CR]Tanteraka aminy ilay teny mahery natsindron' i Jehovah an' i Kaina fahiny :[CR]Fadiranovana ianao, satria nety ho resin' ny ota namitsaka tao am-baravaranao;[CR]anefa ianao no tokony ho nanapaka azy.[CR]Endrey ny fatiantoka, fatiantoky ny isam-batana, ny fianakaviana, ny tany ama-monina, ny firenena, eny, ny fatiantok' Andriamanitra amin' ireto olona sesehena simban' ny vola aman-karena nasaina notantaniny ho fanambinana ho azy! Navily hankeo an-tanànany lahy ny ranovelona, kanjo navelany hanafotra fa tsy nentiny nampahavokatra![CR]

9  [CR]Ny soa tsy hita lany mety ho azony sy ho vitany, tamin' ny harena natolotra azy, fa tsy nomena ny hafa mitovy saranga aminy sy ny tokony ho amboniny koa;[CR]tsy nampiasainy ara-drariny ho tanjaka sy fanampiana, fa nahibony ho mosavin' aina.[CR]

10  [CR]Tsy azo anaovana an-tratreva ny raharaha, ary hanimba zavatra raha dirina "tery vay manta" ;[CR]anefa mba irina loatra tsy hahasaraka ny "harena màlagasy" , hatratý am-boalohany, ny fanaovan-tsoa sy ny fihevera-namana.[CR]Mbola mosaren' asa soa mihitsy anie ny firenentsika! Ary amin' izao ady aman' ain' ny fivelomana ifamofohana ankehitriny amin' ny fampandrosoana ity taranaka ity! Saino ange :[CR]manao ahoana ny halehiben' ny fanasoavam-pirenena mety ho vitan' ny mpanankarena amin' ny fireneny.[CR]

11  [CR](Ravelojaona, Mpanolo-tsaina, Septambra 1927).[CR][CR]


Updated on 2025/11/13