| Entry | 1 Ny Salamoko |
| Elementary words | 2 salamo |
| Part of speech | 3 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 4 Literature: poems |
| Author |
5 Andriamanjato Richard |
| Publishings |
1950. |
| Full text |
7 [CR] 8 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako 9 Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka, 10 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako 11 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka. 12 Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko, 13 Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako 14 Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko 15 Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako. 16 Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako 17 No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako, 18 Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako 19 Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako. 20 Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako 21 Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra : 22 Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako, 23 Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra ! 24 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako 25 Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka, 26 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako 27 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka. |
| Updated on 2025/11/13 |
|