Entry | 1 Ny foko nanidina |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 3 Literature: poems |
Author |
4 Rabearivelo Jean-Joseph |
Full text |
5 Ny foko nanidina ambony dia ambony, 6 ary saika hisetra izay faran'ny avo, 7 kanefa voadona, ka tsy afaka intsony- 8 naratra ny elany - ka indro izy lavo! 9 Naniry hihoatra anao, ry masoandro 10 mazava! Naniry tsy nijanona akory 11 na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro: 12 ny alina tamy ary koa sorisory! 13 Koa aizina anio re no sisa mamonto, 14 aizi-mitambatra sy mivangongo... 15 Rotsiako mangina ny foko efa donto, 16 ary safosafoiko ny masoko bongo! 17 A! toa efa hionona izany alahelo... 18 Sy hafeniko mba hijanona angaha? 19 O tsia! fa ny sentoko mamelovelo, 20 ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra! |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |