|
|
|
|

Entry1  Ny fiaraha-monina
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Razafiniaina Charlotte
Full text  5  [CR]
6  Ny fiaraha-monina
7  Hono, ray tatamo tetezin-tsahona,
8  ray voahirana atopan' alona,
9  ray harefo alamaky ny omby,
10  lany ve, hono, ny hambo
11  no ny ratsy no manitsa-doha,
12  ny malemy no be fila kisa,
13  ny donendrina no avy manitsaka?
14  Ny sahona nitety dia nietaketaka,
15  ny alona tsy viza-manositosika;
16  ary ny omby bada be sady miraoka no manosihosy.
17  Sao dia efa maty hasina, hono,
18  ka hitsahin' ny amboalambo,
19  sao dia efa very haja
20  ka kibilabilain' ny malemy tsy azo!
21  Ry tatamo ravaky ny farihy,
22  ry voahirana aman-karefo endriky ny kamory,
23  raha tsontsam-paika ka matim-bela,
24  raha diso hanta ka fisaka ondana,
25  dia aza manabolasy tena
26  fa tsarovy ny hajan' ny razana!
27  Tsy mbola nisy sahona natao haingon-kamory,
28  fa ny tatamo ihany no betsimihilana
29  ary ny voahirana ihany no fehilohan-jatovo.
30  Tsy taitra, hono, kanefa taitra ihany,
31  fa manindrona am-bavafo ny tafasiry.
32  Na nanonja nanaitra fotaka aza, hono, izany rano,
33  tsy mbola nisy tatamo fefika,
34  na voahirana resin' alona.
35  Ny harefo milefolefo aza
36  mbola henjanin' ny efitra solon-taolany,
37  ka mbola azon' ny tsindretra
38  sy ny tsindrano ifikirana tsara be.
39  Ny boka, hono, no atoka-monina
40  ka izay mitady tsy ho voakasika raha mbola ety
41  dia efa nanoman-tena ho amiana,
42  ka izay mikasika an' io: ilay boka!
43  Tsy ny tatamo amana voahirana, hono,
44  no fanambonin-javatra.
45  Ary tsy ny sahona aman' ondrindrano
46  no fara faikampaikany
47  fa fiaina-mananjina ny fiaraha-monina
48  ka tsy azo entina an' avona.
49  Koa izay tsy mahalefitra ny halemen' ny hafa
50  dia hanjary tatamo ri-drano,
51  mitalapetraka am-potaka ka sady mavo no lo.
52  Koa raha ny fifandraisana amin' ny mpiara-monina
53  no anakilasiana anay ho mietry, dia ahoana àry:
54  hisinda eny Ankaratra ve tsy hiharo
55  ka hanjary paraky tsy mila ny laro?
56  Ny tongotra anefa aza mila kiraro,
57  ka ho aiza raha hiala amin' ny be sy ny maro?

Updated on 2025/11/13