|
|
|
|

Entry1  Ndemahasoa Jean-Louis
Elementary words  2 Ndemahasoa
Part of speech  3  name (anthroponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  4 Jean-Louis Ndemahasoa dia teraka tamin' ny 8 oktobra 1937, tao Tsarahalana Avaratra, Fierenana - Moranga.
5 Nianatra tao Fierenana, kanjo tojo an' iny Tabataba, taona 1947 iny, dia nankany an' ala:
6 niery tany mandritra ny roa taona ngarangidina;
7 ka tamin' ny 1949 indray vao nankany Anivorano-Est: nandrato fianarana tao amin-draibeny.
8 Avy tao izy no niditra ny Ecole Régionale, Toamasina.
9 Nivoaka ny Collège Normal, dia nampianatra amin' ny Sekolim-Pirenena mandraka ankehitriny.
10 Nandeha tany Frantsa, nianatra tao Chartres tamin' ny taona 1957 izany.
11 Nanomboka nanoratra tamin' ny taona 1954 izy.
12 Ny Gazety Vaovao Frantsay-Malagasy (1955) no efa nivoahan' ny sorany.
13 Toraka izany koa ny Fampitaha, Hehy,
14 Revue de Madagascar, Dingana,
15 Bulletin de Madagascar.
16 Efatra anaka ankehitriny.
17 Izy no mitarika ny mpiangaly Vako-dRazana Ny Valoalo. [2.245]
Vocabulary  18  History: individuals 19  Literature: authors

Updated on 2025/11/13