|
|
|
|

Entry1  mitambotsotra
Root  2 tambotsotra
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4 Midina ambany: Mitambotsotra ny pataloanao fa akaro.
5 Mikorisa midina: Asondrotra foana io zaza io rehefa matory fa mitambotsotra lava izao.
6 Mitaredretra: Nitambotsotra tany an-dalana ny anao ka tsy nahatratra sakafo.
7 Mihena, mihaosa: Efa mitambotsotra ny sain' io antidahy io.
8 Tsy mahajoro ka mianjera: Raha vao nahare ny nahafatesan-drainy izy dia torana ka nitambotsotra.
9 Mitakemotra tsy sahy manohy fa miverina ilalana: Nitambotsotra Rakoto ka niala tsy hofidina indray ~ Telo no nitambotsotra tamin' ireo mpifaninana hazakazaka amin' ny tongomalady. [1.1]
Explanations in English  10 to sink, to slip down, to decrease. [1.7]
Explanations in French  11 s'affaiser, dégringoler. [1.3]
12 glisser, diminuer de force, d'intelligence, reculer dans les honneurs. [1.3]
13 diminuer; s'abaisser. [1.8]
Examples  14  Asondroty ny zaza kely izay ao am-babenao, fa mitambotsotra (Faites remonter plus haut l'enfant que vous portez sur le dos, parce qu’il glisse) [1.3]
15  mitambotsotra mandrakariva ao am-pandriana io zaza kely io (Ce petit enfant glisse toujours vers les pieds du lit en dormant, glisse toujours en bas de l'oreiller en dormant) [1.3]
16  mitambotsotra co ambonin’ ny entana ny lapoaly (La poêle glisse et se détache du paquet) [1.3]
17  Torana izy ka nitambotsotra (Il s évanouit et s'affaissa sur lui-même) [1.3]
18  Nitambotsotra ny am-piantany (La muraille a dégringolé) [1.3]
19  mitambotsotra ny sain’ io lahiantitra io (L’intelligence de ce vieillard diminue, baisse) [1.3]
20  Nitambotsotra tamin’ ny voninahiny izy (Il a reculé dans les honneurs) [1.3]
Morphology 
21  Present :
22  Past :
23  Future :
24  Imperative :
Derivatives 
Active verbs :
All compound words  26 afaka mitambotsotra

Updated on 2025/11/11