Entry kibory (bory)
Part of speech   noun
Malagasy definition   Ilazana izay zavatra boribory na mivongovongo [Rajemisa 1985]
English definition   any spherial object [Hallanger 1973]
French definition   objet sphérique [Hallanger 1974]
Analogy   kiborim-barahina ~ kiborim-boatavo ~ kiborin-dakolosy ~ kiborin-tany ~ kiborin-taretra

Entry kibory
Part of speech   noun
Malagasy definition   [Bezanozano, Taisaka, Tanosy] fasana [Rakotosaona 1972]
   [Tanala] fasana, trano na lava-bato fametrahana ny maty: miharaéna ny raha hitañiana ka an-kibory ñ'atao lalana (mitady izay hitomaniana ka eny am-pasana no atao lalana) [Rakotosaona 1972]
   Anaran' ny fasan' ny Antesaka, izay misy toa karazan-trano efa-joro lehibe ka hita mifanongoa eo ny razana. (Ny lehilahy dia mitandahatra amin' ny lafiny avaratra, ny vehivavy amin' ny lafiny atsimo, ka miantsinanan-doha avokoa izy rehetra; tsy mahazo miditra ny kibory ny olona rehetra tsy Antesaka, ny zaza tsy Antesaka na ny rainy na ny reniny, ny Antesaka nanao hadisoana lehibe ka efa nahataky ny foko fahavelony, ary ny lehilahy Antesaka tsy mifora) [Rajemisa 1985]
   fasana lehibe [SLP: Voambolana]
English definition   a tomb (provincial) [Hallanger 1973]
French definition   tombeau (provincial) [Hallanger 1974]
French definition   tombeau [SLP: Voambolana]
Analogy   fasana

2009/09/09