|
|
|
|

Entry1  Ianareo ... izahay
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Rakotomalala Henri
Full text  5  [CR]
6  Ianareo rorampison' Angavokely,
7  Izahay erikerik'Ankaratra,
8  Ka na tsy tondraka aza,
9  Mahavonto tany!

10  Ianareo mafikely lava taho,
11  Izahay vonin'avoko malefolefo;
12  Raha jejo loha ny any,
13  Izahay kely ihany fa mamerovero.

14  Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay
15  Fa manana sakay tsara fefy;
16  Ary tsy mitomany volo oly
17  Fa manana mpandrandrana mahay.

18  Koa aza fady, Raondriana,
19  Fa raha safomorona ny fampitambazana,
20  Ny anay efa nitobaka ela;
21  Raha ritra ny rano tan-dobo,
22  Ny anay efa tsisy tavela.
23  Ny farihy tankina, hono,
24  Ny fotoka no manjaka;
25  Fa ny loharano an-dohasaha kosa,
26  Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka!
27  Koa kopa-damba malefaka no ataoko,
28  Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo,
29  Izahay voromanga mahay mihira,
30  Ka zato sy arivo manao " midira "
31  Na ny eto akaiky na an-dakira!
32  .....................

33  Ianareo haba ihaingoan'ny jefy,
34  Izahay volamena tsy mety lefy!
35  .....................

36  Koa samia masina an-taniny,
37  Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra,
38  Izahay diamondra soa hazavana.
39  Koa veloma mahalankalana, Rasena,
40  Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo,
41  Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena !

Updated on 2025/11/13