Entry | hoza > ozana (oza) | ||||||||
Part of speech | passive verb | ||||||||
Explanations in Malagasy | Sasana [1.1] | ||||||||
Explanations in English | To be washed, to be cleaned [1.2] | ||||||||
Explanations in French | Qu'on lave [1.3] | ||||||||
Morphology |
| ||||||||
Entry | hoza > ozana | ||||||||
Part of speech | noun | ||||||||
Explanations in Malagasy | Mitovy amin' ny hozana [1.1] | ||||||||
Explanations in French | Comme hozana [1.3] | ||||||||
Entry | hoza > hozatra | |||||||||
Part of speech | noun | |||||||||
Explanations in Malagasy | (Misy manao hoe ozatra , satria ny teny Malay niaviany dia urat; anefa ny misy h no efa raikitra ho teny malagasy, manaraka ny lalàn' ny fanakanbanan-teny. Ohatra: aretin-kozatra fa tsy aretin' ozatra, mitsangan-kozatra fa tsy mitsangan' ozatra, ets. Ary ny matoanteny hoe manozatra (fa tsy mankozatra) dia iray tarika amin' ny hoe manolatra ( holatra ) fa tsy mankolatra), manelatra ( helatra ) fa tsy mankelatra), ets. ... [1.10] | |||||||||
Teny nentin' ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby: 1) Karaza-nofo mitsiratsiraka toa tady kely izay mitambatra am-pehezany amin' ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Mivonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin' ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (ohatra ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin' ny kiho) 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin' ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangovitra ohatra io [1.1] | ||||||||||
Explanations in French | Comme ozatra [1.3] | |||||||||
Vocabulary | Biology | |||||||||
Derivatives |
| |||||||||
Compound words |
| |||||||||
Other spellings | ozatra | |||||||||
Proverbs | Proverbs containing the word hozatra | |||||||||