|
|
|
|

Entry1  Hiran-jaza kamboty
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Andrianaly Alfred
Full text  5  [CR]
6  Misy maro izao mikalo,
7  Tsy mba manam-pahavalo;
8  'Zaho kosa toa mimalo,
9  Toa latsain'izay mandalo.

10  Ao ny revo mikorisa
11  Eny an-dalam-paradisa,
12  'Zaho kosa mitanisa
13  Fahorian-tsy hita isa!

14  Ao ny voky safosafo,
15  Hafalia-mitafotafo;
16  'Zaho kosa misakafo
17  Sady mandry tsy amin'afo!

18  Ao ny mbola velon-dreny,
19  Manan-dray hiteniteny ;
20  'Zaho kosa… voa dia eny:
21  Singan'olona manjeny .

22  'Zay tazaniko rehetra
23  Samy lavitry ny tsetra;
24  'Zaho kosa manjoretra
25  Sy mijaly an-tery setra !

26  'Ndreo ny vorona misiaka,
27  Miramirana sariaka;
28  'Zaho kosa toa mifiaka
29  Ranomaso be mandriaka!

30  'Rony kintana misosa,
31  Tsy mba manana mpifosa;
32  'Zaho kosa! 'zaho kosa
33  Mitanondrika fa osa!

34  Volana manatri-tava,
35  Taratry ny fo mazava;
36  'Zaho kosa maizin-dava,
37  Tojo ny oran-tsy misava!

38  Ô! ry lanitra ô, avoty
39  Fa mahantra ity kamboty!
40  Zazabodo diso angoty ,
41  Vao nitsiry dia voaoty!

42  Satriko aza anio ihany
43  Dia hilaozana ny tany,
44  Ka hisidina hankany
45  'Lay Fanahy nosimbany.

Updated on 2025/11/13