|
|
|
|

Entry1  fisokoana
Root  2 soko
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4 Fidirana tsimoramora: Tsarovy fa lasa ohatra ny fisokon'ny ron-gisa hilazana zavatra mitsofoka tsimoramora nefa misy asany.
5 Fitsofohana mangingina tsy misy mahita: Tsy azo anomezan-tsiny azy ny fisokoany namangy ny havany tany amin'ny hopitaly.
6 Fangalaran-javatra mangingina: Tsy hita mihitsy ny fisokoan'ny adalo an'ilay bokiko.
7 Fanampohana, fisovohana: Ny fisokoan'ny fahavalo. [1.1]

Updated on 2025/12/08