|
|
|
|

Entry1  fihohofana
Root  2 hohoka
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4 Fionganan-javatra ka ny vavany no lasa ambany: Ny fihohofan' ny vilany no tsy nilelafan' ny alika ny tao anatiny.
5 Fandriana ny kibo no atao ambany mandry: Raha izaho tsy ahitako tory ny fihohofana.
6 Fandoalihana sy fiondrehana eo ambonin' ny zavatra iray ho mari-pitiavana na alahelo: Nampalahelo ny nahita ny fihohofan-dreniny teo amin' ny nofo mangatsiakan' ilay zanany.
7 Fiasana tsy miroa fo: Fihohofana tamin' ny asa no nahavitana itony boky itony. [1.1]

Updated on 2025/09/12