Entry fandamahana (lamaka)
Part of speech noun
Malagasy definition Fanaovana ho marin-tampona, mitovy tantana: Naharitra herinandro ny fandamahan' ny fokonolona io tany be kitoantoana io
¶ Fandriana tsy afaka miarina: Fandamahana hateloana no vokatry ny fijejojejoana nandihy mandra-maraina
¶ Fifotorana amin' ny asa: Tsy hay lazaina ny fandamahany tamin' itỳ asa itỳ fa adiny telo misesy izy teo foana
¶ Fikapana (bozaka, herana): Tapak' andro maninjitra izy tany amin' ny fandamahana bozaka tany [Rajemisa 1985]

Updated on 2020/07/31