| Entry | 1 dikaina |
| Root | 2 dika |
| Part of speech | 3 passive verb |
| Explanations in Malagasy |
4 Ihoarana avy eo ambony: Dia tsy ho hainao dikaina ve io tatatra io.
5 Seranana na salovanana eo anoloana na eo ambony: Aza dikainao itỳ dadatoanao, anaka. 6 Andalovana fotsiny, tsy raharahaina: Loza fa nodikainaony lehibenao, hadinonao angaha ny hoe: aza manao rano dihain-jinga!. 7 Nodinganina, navela fa hadino: Andalana tala no nodikain' ny mpanoratra amin' ny milina. 8 Tsy narahina: Nodikainao ny lalàna ha hofaizina ianao. [1.1] |
| Explanations in English |
9 to be overstepped, to be translated.
[1.2] 10 to be crossed by something. [1.7] |
| Explanations in French |
11 dont on s'est écarté.
[1.8] |
| Examples |
12 Ka ianareo tsy manivaka, milaza ny marina tsy azonay dikaina.
[2.245#]
13 Nanorenana tetezana teny amin' ireo renirano tsy maintsy dikaina. [2.445#] 14 Fa izaho no saonjo an-kihin-karana : tsy hadím-body, tsy hanin-dravina, ka raha dikaina, mahabe lohalika; [1.406#] |
| Morphology |
|
| All compound words | 19 2 combinations of this word |
| Proverbs | 20 Proverbs containing that word |
| Updated on 2025/11/09 |
|