| Text |
13 Hono, ry tsikirity amoron-dalana;ry vero aman'ampanga an-tsisim-boly:Nandalo teto ve Andriantsoa mora tia, mora tofoka? Ka inona no dinika nolazainy, inona no hafatra napetrany? Mbola tia, mbola manina ve, hono, izy, no migogogogo toa zazakely, ary s midradradradra tsy mahalala menatra? Nahoana no omaly mampitamby sy mampifilafila, ka anio ihany dia mifona sy milela-paladia? Tsy mbola nilaozako tandavan-taona ka mimenomenona sahady hamerina.Lazao azy, ry vonin'avoko an-tampon-tanety;ambarao azy, ry ahitsorohitra an-kalamanjana, raha mbola misy fitia tsy levona'o hoe any, saingy sendaotra tamim-pahatezerana, dia tsy omeko tsiny, tsy omeko fondro, fa rehefa mivalo sy migirasy tamin'ny fahadisoana dia avelako.Kibo tsy sosotra aman-kavana no aty, ary fo tsy mitahiry lolom-po, ka rehefa niady maraina dia tsy menatra hangata-pihavanana hariva.Izany, hono, no fahendrena, izany no fananan-tsaina.
14 valiny
15 Henoy, ry tsikirity mpitondra hafatra sy ry vero mpitondra dinika.
16 Izao lazaina, izao ambara amin-dRadalampitia.Tsy nitomany, tsy nigogogogo Andriantsoa hoe, fa nibitaka sy nifaly.Olona nitondramafy sy nilonjy fahoriana izy, ka tsy mahatoha ny kobaka am-bava, tsy mahalaitra ny votena an-tenda.Ny hanambitamby na hanolikoly, hono, dia atao fady, atao sanatria.Tovolahy tanora ary zatovo maitso volo aho, rahavana, ka mora manova.Tsy mihevitràizay efa nilaozana aho, rahavana, ary tsy mitambitamby amin-javon' Ankaratra.Bitsiho azy, ry avoko endriky ny lemaka, ary dinidiniho aminy, ry ahitsorohitra ravaky ny tampon-tanety:tsy tia tsy manina intsony, hono, izy fa ny teo aza nanenenany.Aborahy aminy tsara fa tsy fahatezerana izany na fahasosorana fa avonavom-pitia.Izay efa nahita ny toe-dratsy, hono, dia tofoka, ka ny fo zaka no entina mody ary ny fo feno eritreritra no entina mianjona.Ka dia veloma aminy mandrakizay, masina aminy mandra-pahafatiny.
|