Entry atatra
Part of speech   noun
Malagasy definition   akotry [Betsimisaraka] [Rakotosaona 1972]
   fakofako na akotry mifangaro amin'ny fotsim-bary [Tanala] [Rakotosaona 1972]
   Akotry tsy voavaofy tamin' ny fitotoana azy ka mbola miharo amin' ny fotsimbary [Rajemisa 1985]
   akotry [Bezanozano] [Rakotosaona 1972]
   fonon'ny voambary ivelany amin'ny akotry [SLP: Voambolana]
French translation   glumelle [SLP: Voambolana]
Vocabulary  
Synonyms   akatatra
Compound words, titles, names  

Entry atatra
Part of speech   noun
Malagasy definition   Fahamenarana, fahatsiarovan-tena (tsy fampiasa afa-tsy amin' itỳ fomba fiteny itỳ: Tsy vaky atatra: tsy mahalala menatra)
¶ Tsy vaky afero, tsy valahara [Rajemisa 1985]

Entry atatra
Part of speech   noun
Malagasy definition   Zavamaniry fanao fampivalanana ny voany saingy tsy azo omena ny ankizy na ny olona malemy tsinay fa mety hahatonga fivoahan-dra indray (Jatropha mahafalensis) [Rajemisa 1985]
Scientific name   Jatropha mahafalensis
Vocabulary  
Quotes  

Entry atatra
Part of speech   noun
Malagasy definition   Enti-milaza fahavokisana tsy anerany, fahatoranana, fihinjirana maty eo no ho eo. [Rajemisa 1985]
Derivations  

Updated on 2009/11/07