|
|
|
|

Entry (1/2) 1  ataotaovy
Root  2 tao
Part of speech  3  imperative of passive verb ataotao [Full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  [1.3]

Entry (2/2) 4  Ataotaovy
Elementary words  5 ataotaovy
Part of speech  6  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  7  Literature: poems
Author  8 Dox
Full text  9 
10  Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

11  Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

12  Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

13  Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !


Anagrams  ataotaovy, Ataotaovy

Updated on 2026/03/07