|
|
|
|

Entry (1/2)1  ataotaovy
Root  2  tao
Part of speech  3  imperative of passive verb ataotao [Full list]
Explanations in Malagasy  4  [1.1]
Explanations in French  5  [1.3]

Entry (2/2)6  Ataotaovy
Elementary words  7  ataotaovy
Part of speech  8  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  9  Literature: poems
Author  10  Dox
Publishings 
Full text  12  Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

13  Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

14  Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

15  Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !


Anagrams  16 Ataotaovy, ataotaovy

Updated on 2025/10/09