Entry Andriamanantena: Mitsikia!
Part of speech   name (poem title)
Author   Andriamanantena Georges
  
Mitsikia! Miràna endrika!
K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F'efa hatrany am-piandohana
no nazava taminao fa ny volana handalo
ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve? Fantaro!
Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
Ny toloko, atsaharo!
Vocabulary  
Tables and plates   All the titles

Updated on 2017/06/21