Entry aleo ... toy izay (aleo, toy, izay)
Part of speech   expression
Malagasy definition   Teny enti-milaza fampitahana ka ny teny eo aorian' ny hoe "aleo" dia ilazana zavatra na hevitra eken' ny be sy ny maro fa marina na tsara kokoa: Aleo ho faty rahampitso toy izay maty anio
¶ Na zavatra tiana na sitraka kokoa: Aleo maty toy izay menatra olona. / Aleoko ny akondro toy izay ny paiso [Rajemisa 1985]
English translation   better ... than [Hallanger 1973]
French translation   mieux vaut... que [Hallanger 1974]

Updated on 2012/10/17