|
|
|
|

Entry1  Tenin-dRazako
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Randria Samuël
Full text  5 
6  Teny
7  Nianarako nibada
8  Nianarako ny " Dada "
9  Nahaizako ny " Neny " .
10  Teny
11  Namorona ny hevitro
12  Sy ny eritreritro.
13  Eny,
14  Teny
15  Nilazako
16  Ny feon'ny fon'ny hazazako
17  Te-hahay
18  ' Lay teninay.

19  Tamin'izany, hasambarako
20  Ny tenin-drazako.

21  Dia nitombo teny ny fahaizako,
22  Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako,
23  Nahazatra, tena vantana amiko
24  'Lay teny gasy, tena mamiko.
25  Nitombo ny fisainako
26  Fa namboarin'ny fiainako;
27  Dia tazako
28  Ny fahalehibeazako...
29  Dia ny fahombiazako.
30  Ka' lay tenin-drazako
31  Efa fahazarako
32  Tato am-poko mitambolona
33  Natakaloko ny an'olona,
34  Navelako,
35  Fa nivadika ny lelako.
36  Tsy afeniko
37  Fa'lay tenin-drazako,'lay teniko,
38  Asa lahy!
39  Tonga nahamenatra ahy.
40  Tsy antonina ny lazako
41  Ny tenin-drazako
42  Ka nafoiko,
43  Fa ny tsy ahy no hamboiko.
44  Dia hoy aho:
45  " Teny maty,
46  " Tsy mahalaza ny ao anaty,
47  " Teny ambany
48  " 'Zany teny malagasy izany " .
49  Nefa ahy, tena ahi...ko
50  Toy ny nofo sy fanahiko.
51  …...
52  Moa rehefa ambony, ka azo izay nirina,
53  Dia ny an'ny tena no tsy tiana sy ariana?
54  Tsia dia tsia,
55  Sanatria!
56  Ry Tenin-drazako ry Teniko,
57  Neniko e ka neniko
58  Ny nanambany anao.
59  Ary izao,
60  Hoy ny vavaka miloatra avy ato anatiko
61  Ho ato anatiko ary mandra-pahafatiko:
62  " Tompo ô! tapaho re ny lelako,
63  " Raha ny Tenin-drazako no havelako.
64  " Eny, foano ny ho aviko,
65  " Raha'ty Teny taminao no tsy hotiaviko " !

Updated on 2025/11/17