| Examples | 6   Ary nantsoin' Andrianampoinimerina amy ny ambaniandro indray, ny nataony 			rabemananjara teo Ambohimasina. Nony nirotsaka i Mambafohivava sy ny  			zandry ny mitondra any Marovatana hiady, nony niady : namitsahany rabemananjara 			i Mambafohivava sy ny zandriny an-takonana; ka nony tofirina ka voa 			iley zandry ny Mamba, ka taritiny Mamba hiakatra ny fatiny : dia hitany rabemananjara, 			dia nenjehi' ny, dia azony ny faty : dia no tarihi' ny hidina indray, 			ary dia nenti' ny nanketsy Ambohidava ny faty. Ary nony ampitso ka resy Marovatana, 			dia nantsoiny rabemananjara indray i Mamba hoe: "Alao ny henanareo." 			Dia loso sy ariary ny maty. Dia 200 lahy nenti' ny Mamba haka ny maty. 			Nony tonga amy ny nametraha' ny azy, dia hoy rabemananjara: "Indro ny 			henanareo." Vao izay no azo ny Mamba ny fatinjandry ny. 			Ary rabemananjara natao n' Andrianampoinimerina mpitaiza andriana, fa 			mpihevitra ny fanjakana ; k' izy nahavita any Merina, sy Raberesaka zanany, 			sy Andriamambavola, sy Rabasivalo, sy Ramamabo; atsy Malaza no milevina izy.
[2.48] 7   rabemananjara niteraka andRaberesaka, ary Raberesaka niteraka andRamahay
[2.48]
 
 |