|
|
|
|

Entry (1/5)1  ho
Part of speech  2  particule [Full list]
Explanations in Malagasy  3 Teny kely fametraka eo alohan' ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho:.
4 -- Anarana: Ny ho dokotera no kendreny.
5 -- Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin' ny sisa.
6 -- Mpisolo anarana: Ho izany tokoa!.
7 -- Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy / Ho vita ity rahariva (raha matoantenin' ny iharana misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva).
8 -- Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? -- Ho any an-tsena aho, anaka.
9 Teny kely fametraka eo alohan' ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona fameno (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika.
10 Teny fanao: a) eo aorian' ny matoanteny toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian' ny matoanteny, toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adala, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny matoanteny toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara.
11 Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anie i Dada!.
12 Eo anelanelan' ny mpamaritra matoanteny miverina indroa enti-milaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy. [1.1]
Explanations in English  13 sign of the future tense, used before consonants, as.
14 -- tonga, v. arrived; ho tonga, will arrive.
15 -- tapahina, v.pass. to be cut; hotapahina, will be cut. [1.7]
Explanations in French  16 marque le futur; se met devant les consonnes; ex..
17 -- tonga, v. arrivé; ho tonga, arrivera.
18 -- tapahina, v.pass. qu'on coupe; hotapahina, qu'on coupera. [1.8]
All compound words  19  77 combinations of this word

Entry (2/5)20 
Part of speech  21  preposition [Full list]
Explanations in Malagasy  22 tahaka, sahala. [Tanosy] [1.78]

Entry (3/5)23  ho
Part of speech  24  adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  25 toa, toy ny, toy izany: hô fary, ny lohany indray botsa. [Tanosy] [1.78]
All compound words  26  7 combinations of this word

Entry (4/5)27  ho~
Part of speech  28  prefix [Full list]

Entry (5/5)29  Ho    
Part of speech  30  noun (symbol)
Explanations in Malagasy  31 Singa mivaingana, faha-67 amin'ny fisokajiana miherina.. [3.1]
Explanations in English  32 Holmium.. [3.1]
Vocabulary  33  Chemistry
Tables and plates  34  Periodic Table

Updated on 2025/11/09