| Entry | 1 Hiram-betsovetso |
| Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 3 Literature: poems |
| Author |
4 Ny Avana |
| Full text |
5 6 Soratako ny hirako 7 Aty an-tsisin-tany 8 Ka izy no mba irako 9 Hanony izay tomany. 10 Ô! hira tsy marevaka 11 Fa kalon'olona ory; 12 Malako sy malefaka, 13 Fanaoko raha hatory. 14 Ka eo am-baravarana io 15 No maka rotsirotsy, 16 Injay manarangarana 17 Ny tara-bolafotsy, 18 Ny kintana eny an-danitra, 19 Indreo mangalahala; 20 Mitopy sady manitra 21 Ny rivotra ao an'ala. 22 Ny zava-manodidina 23 Manomboka ho sina; 24 Ny saiko, injay misidina, 25 Miakatra mangina! 26 Ka eny am-pitazanana 27 Ny zava-tsinjo eny, 28 Ny foko tsy haiko tanana, 29 Mivetso an'izy ireny! 30 Izato habakabaka 31 Mirentin-kazavana , 32 Madio mangabakabaka , 33 Tsy hita fiafarana! 34 Tsy azoko refesina, 35 Tsy takatry ny loha, 36 Fa satriko hoventesina, 37 Kaloiko mialoha. 38 Ny kintana alinalina, 39 Mambabo ny fanahy, 40 Mandravaka ny alina, 41 Manetsiketsika ahy! 42 Mba kely fa mamiratra 43 O! toy ny tamaboha , 44 Kanefa mampihiratra 45 Ny vetsovetson-doha! 46 Raha ory ny fisainana, 47 Banjiniko izy ireny: 48 Ny ora itarainana, 49 Mba lefy ho azy eny! 50 Raha vonto ny takolaka, 51 Na maloka ny tava, 52 Malemy sady folaka 53 Ny sento lalandava! 54 Ny volana zahavana: 55 Malefa-kafahafa, 56 Toa maso be fitiavana, 57 Maniry hifanantsafa . 58 Injay somparan-drahona 59 Ny tavany efa feno: 60 Izaho koa miahona, 61 Ny hirako tsy heno. 62 Tsaroako fa manjombona 63 Na izy na ny foko, 64 Satria izahay miombona, 65 Miara-mitakoko. 66 Matetika eo no lasana 67 Ny sentosentom-po! 68 Tadidy ny any am-pasana, 69 Ny tiana efa lo: 70 Ny kibo nifonosana, 71 Ny Dada niangotiana, 72 Ny zokiko nofosana, 73 Ny zandry kely tiana! 74 Dia tonga manororika 75 Itony maso itony! 76 Ny lohako miondrika, 77 Tsy mahatraka intsony! 78 Fa nony mangoratsaka, 79 Ka tsinjo ny hazavany, 80 Ny sento tafalatsaka 81 Misinda lavitra any! 82 Mazava mangorobaka 83 Tafiditra any am-po! 84 Ka hery be mitobaka 85 Mandroaka ny manjo! 86 Ny tsilo be maranitra 87 Manevika eto an-tany, 88 Dia hita fa io ny Lanitra, 89 Mpanafaka an'izany! 90 Impiry ny Fanahiko 91 Zay noratrain'ireny 92 No lasana nirahiko 93 Nandranto aina teny? 94 Ny Tany mihorakoraka 95 Raha lavony eo ianao! 96 Ny Lanitra mangoraka, 97 Manafy hery vao. 98 Ny maso ampakarina, 99 Ry havako tomany, 100 Lazaiko marimarina 101 Fa maina ho azy izany! 102 Fa tody izao ny irako 103 Taty an-dafin-tany; 104 Ka enga anie ny hirako 105 Hanony izay tomany! |
| Updated on 2025/11/17 |
|